« Miandry ilay maraina », Christiane Ramian.

Miandry ilay maraina

 

Miandry ilay maraina
Iaton’ny taraina
Hisy fahagagàna
Eto antanàna. ..
Amantaonany izao
No mivetso talaho
Tsy misy ho jerena
Ny firenena…

Lany andro miady
Ireo olo-misamboady
Ao ny manao be sandry
Tsy te-hiandry
Ny tia sotasota
Ny tsy maty manota
Ny tsy misy traikefa
Mirefarefa…

Kamo miasa loha
Ilay etsy Iavoloha
Omeny ny vazaha
Ny raharaha
Faly ny sinoa
Alainy avokoa
Vorona azon’adala
Ny tany sy ala. ..

Ireo te- hanatsara
No mahita tantara
Iaran’ny antsojay
Fa hoe miseho mahay
Ry manampahefana
Eo ambonin’ny lalàna
Risoriso sy hadalàna
Efa igagàna!

Rahoviana vao hiala
F’efa mila hahalasa adala
Tsy jiro tsy asa
Mivasavasa
Izay nandalovany rava
Nefa mbola avo vava
Matimbola sy harena
Tia tena!!!

Miandry

Christiane Ramian

miandry

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s