« Ikotomaditra », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

IKOTOMADITRA…

 

Izaho ilay maditra…mpamalivaly
Izaho ilay manitsy…tsy misy safary
Mpanatsinkafona ireo tiana afenina
Mambara mahitsy izay tiana hotenenina

Izaho ilay maditra…maditra amy rariny
Ny ahy tsy ekeko raha mbola tsy marina
No ilaina andeferako…hiononana koa
Izaho ilay maditra e…maditra mifoha

Izaho ilay maditra… mpanakorontana
Tsy mifatafata aho fa avy manontsana
Izaho ilay ambara ho maningana hatrany
Tsy manaiky lamina hanindry ny ambany

Izaho ilay maditra…izaho anie manaiky
Raha misy setraina…izaho tsy taraiky
Fa avy mitsangana…hidradradradra
Izaho ilay maditra e…ianao aza gaga

Izaho ilay maditra…tsy tanty renesina
Tsy mora manaiky…na mora miesona
F’izaho na maditra aza, mihaino fanahy
Avia mitsangana…haditra toa ahy

NARY
10/09/2016

 nary-x

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s