« Ananany ve ?  » Mamitianan Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

ANANANY VE?

 

An’azy ny tany…an’azy ny lanitra?
Finidy hono izy…tahian’Andriamanitra
Na inona hataony…mety avokoa
Na inon-kinasany…Tototra soa

An’azy ny ety e…efa azy ny ankoatra?
An’azy ny doka…an’azy ny saotra
Na inona setrany…mbola hamarinina
Na inona toetrany… Izy no ambinina

An’azy ny vola…koa fahefana
An’azy ny fehy… Koa ny lalàna
Na inona hatao… Izy no handidy
Na ny rahalahinao aza mety voavidy

Na inona ankasony…azy ny hoby
An-tanany hatrany ny harena no hitoby
Dia mody zinarany ny ampahafolo…
Io nisaotra azy ry mpino tontolo

An’azy daholo e…tsy eritreretina
Ny amboponao aloha no tiako ampirehetina
Fa na azy daholo aza…izao tadidio
Tsy hananany akory ny « fonao madio »

NARY
10/09/2016

nary-x

rajao-sy-ny-sinoa. Sary TiaTanindrazana BDR a1

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s