CUA-Antananarivo. 13/09/2016. Fiofanana nomen’ny Filoha Ravalomanana sy ny Ben’ny Tanana.

Ph Madonline

CUA serasera

FIOFANANA NOMENA IREO LEHIBEN’NY FOKONTANY 44 AVY AMIN’NY BORIBORIN-TANY VOALOHANY

Nahazo fiofanana manokana avy amin’ny coach-ny ben’ny tananan’Antananarivo , Marc Ravalomanana ireo Sefo Fokontany sy ny mpiara-miasa aminy eo an’ivon’ny Boriborin-tany Voalohany. Fiofanana miompana indrindra amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fokontany. Nambara ary fa tsy hijerena firehana politika na finoana ity fiofanana ity fa natao indrindra hampitombo ny traik’efa ho an’ny tsirairay.

Samy nahazo ny anjara tandrify azy avokoa ireo tompon’andraikitra ireo, isan’ireny ny fomba fitarihana sy fifandraisana ary ny fampitam-baovao , hahafahana mametraka ny fahatokisan’ny olona entina sy ny mpitantana ny fokontany. Eo ihany koa ny fanamorana ny asa hahazoana mampiditra ny vola ampiasaina eo an’ivon’ny Fokontany.

Tsy nohadinoina ny fametrahana amin’ny toerana misy azy ny fankatoavan’ny vahoaka ny mpitantana azy . Nitondra ny traik’efany koa ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara sy ny ben’ny Tananan’ Antananarivo Renivohitra , Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy. Maro tamin’ireo sefo fokontany no velombolo nahazo fiofanana, santatra am-bavarano ihany ity natao androany ity fa samy hahazo ny anjarany avokoa ireo boriborin-tany 5 hafa.

cua-ravalo-1 cua-ravalo-7

cua-ravalo-5  cua-ravalo-10

CUA serasera

15/09/2016.

CUA –

FANAMPIM-PANAZAVANA_RAHARAHA »ANDOHATAPENAKA »
Nanterin’ny Lefitra Faharoan’ny Ben’ny Tanàna Andriamorasata Julien ny maha-ara-dalàna ny fanapahana noraisin‘ny Filankevitra Monisipaly momba ny hampiasan’ny CUA ny tanin’ny Groupe Tiko eny Andohatapenaka.


Nanao taratasy fangatahana mazava ny Mpanatanteraka fa tsy ampy intsony ny toerana hanatobiana fiara (Fourrière) ampiasain’ny kaominina, ka mila toerana malalaka mba hahazoana manohy sy manamafy ny asa fanadiovana sy fandaminana ny tanàna.
Ny Groupe TIKO no namaly ny antso, ka nampindrana ny tany izay manana « titres » mazava. Tsy afaka manao « Délibération » rahateo ny Filankevitra Monisipaly, hoy izy, raha tsy misy izay « titres » izay. Nankatoavin’ny maro an’isa tao amin’ny Filankevitra Monisipaly izany, ka azo tanterahina avy hatrany, araka ny lalàna (Exécutoire de plein droit), rehefa avy nohamarinin’ny Préfecture de Police.


Tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona koa, hoy ny Lefitra Faharoan’ny Ben’ny Tanàna ny fakan’ny fanjakana fotsiny izao ny tany misy « titres » sy vita baorina, ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro (Expropriation pour cause d’utilité publique).
Nampahatsiahiviny ny fisian’ny Loi n°2013-001 tamin’ny 18 Jolay 2013, manambara mazava fa arovan’ny fanjakana ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, miaraka amin’ny fianakaviany sy ny fananany. Voaporofo nefa fa ny mifanohitra amin’izany no misy amin’izao fotoana izao, ary amin’ny maha-mpidrana ny tany ny CUA no mahatonga anay mitondra ny fanazavana, hoy izy.


Tsy nanara-dalàna koa ny fomba nakàna ny tany (Procédure d’expropriation): tokony hisy ny « Ordonnance » avy amin’ny fitsarana; tokony natsangana ny « Commission d’évaluation », ary rehefa nahazo ny faneken’ny tompon’ny tany taorian’ny fifanatonana vao ara-dalàna ny dingana samihafa.


Mbola amboletra toa izay koa no nitranga tamin’ny namoahana ireo « Camions Ben » teny Anosipatrana. Fiara tsy misy « Carte grise », tsy manana fahazoan-dalana hifamoivoy (Autorisation de circuler), tsy manana alalana hitaona vatokely sy ranon-tany ireo.
Nandray ny andraikiny nampihatra ny lalàna velona ny Polisy Monisipaly, saingy « atody miady amam-bato » ihany raha nanoloana ireto « Commandos » nirongo basy sy nisaron-tava.

Tokony hifanome tanana sy hifanampy ny fanjakana sy ny CUA hoy izy, raha tsy hilaza afa-tsy ny hampiantranoan’i Madagasikara ny Frankôfônia eto amin’ny renivohitra ihany aza. Tsy misy nefa izany, ary na ny fanampiana (Subventions) izay zon’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra aza tsy nomena azy hatramin’izao.
Nitondran’ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna fanazavana koa ny manodidina ny ambara fa fitsabahan’Andriamatoa Marc Ravalomanana amin’ny raharahan’ny CUA.

Ny atao hoe mitsabaka hoy izy, dia maka « Actes reglementaires », izany hoe manao sonia « Arrêté » na « Décision » na « Note de Service ». Tsy manao ireo izy fa manolo-tsaina amin’ny maha-vadiny ny Ben’ny Tanàna. Zon’reo mpitantana ao amin’ny CUA rahateo koa no maka hevitra any aminy noho ny traikefa maro ananany amin’ny maha-filohampirenena azy teo aloha, ary indrindra, noho izy efa nitantana ny Tananan’Antananarivo. Niaraha-nahita rahateo fa nandroso ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra tamin’ny androny. CUA.

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s