« Ahoana ihany ity Frankofonia an-dRajao ity e? » Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Ahoana ihany ity Frankofonia an-dRajao ity e?

 

Fahafam-baraka tsy misy toy izany no ho azon’i Rajao sy ny forongony amin’ity fihaonana an-tampony ny Frankofonia ity. Efa hiarahan’ny rehetra mahita ankehitriny fa tsy ho vita ara-potoana intsony ireo fotodrafitrasa handraisana izany fivoriana iraisam-pirenena izany kanefa mbola mirehareha ihany i Rajao ary amin’ny TV5 Monde sy ny RFI fa vonona tanteraka amin’ny fandraisana izany i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy.

Aoka aloha hazava tsara andriamatoa filoha fa ianareo mpitondra sy ireo teratany vahiny mahazo tombotsoa amin’ny fandraisana an’io fivoriana io ihany no vonona handray azy fa tsy ny vahoaka Malagasy rehetra araka ny haverimberinao matetika. Efa mandeha moa amin’izao fotoana ny resaka fa mety ho hafindra any Canada ihany ity fihaonana an-tampony ny Frankofonia ity.

I Rajaonarimampianina aza moa efa manova fiteny ary mieritreritra ny vahoaka ho vendrana ka lasa milaza indray fa tsy natao ho an’ny Frankofonia ireo fotodrafitrasa lehibe hantsangana amin’izao fotoana izao. Na eo amin’ny resaka fandriampahalemana aza dia tsy mahatoky antsika Malagasy ireo filoham-panjakana avy any Ivelany ka mety tsy hoavy eto amitsika fa handefa solontena.

Mba ataovy ao an-tsaina ry vahoaka Malagasy hoe resaka Frankofonia io aza tsy vitan’izao fitondrana HVM izao fa vaomaika fa hampandroso an’ity firenena ity sy ny vahoaka 22 tapitrisa.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s