« Inona ary ity? » Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

INONA ARY ITY?

 

Inona indray ity ry Rainisolelaka?
Lany ny atao sa poaka ny maso?
Eo moa tsy menatra fa dia midedaka
Handray vahiny amin’ny sarany lafo

Inona foana io ry Bemananasy a?
Ho faran’ny kofona mihitsy no tanjona?
Mitrongy tsy homana anie izao ny gasy
Tombontsoam-bahiny no atao tsara ambina

Inona mihitsy no tena tadiavina e?
Handetika hatrany amy faran’ny kizo?
Atsaharo ity toetra f’efa mahatsiravina
Sao ho tratran’ny felaka handrivorivo

Inona mihitsy…Rajaomatihanina?
No tena paik’ady mba narosonao
Fa raha ny hita eto dia tsy hilamina
Tanteraka izany ilay « fery vaovao »?

Ahoana tokoa ity ry manga fikenda?
Izao mihitsy ve ilay nampanantenaina?
Tsy fampandrosoana fa toa rendrarendra
Tandremo ary hiongana ka harary aina

Ahoana ry gasy ity mangina ity a?
Setrasetrain’ny adala rehetra
Tsy afa-mankaiza sa ndrao maka fy e?
Izao ity vazaha sahy manao amboletra

NARY
19/09/2016

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s