« Voahangy Rajaonarimampianina Halan’olona, fa nahoana ? » TiaTanindrazana.

Mme Hery Rajao

Voahangy Rajaonarimampianina Halan’olona, fa nahoana ?

17/09/2016

 

Tao anatin’ny 56 taona nahazoantsika ny fahaleovantena dia maro ireo vadina filoham-panjakana nifanesy teto samy nanana ny nampiavaka azy avokoa.

Tsy dia nitsabaka loatra tamin’ny resaka fitantanana ny raharaham-panjakana ny ankamaroany afa tsy ny vadin’ny Filoham-pirenena ankehitriny. Malaza ho tena miditra lalina amin’ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony sy fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena izy. Maro ireo olona voalaza fa akaiky azy no manjakazaka amina sehatra maro ary tsy azo kitikitihina. Voaresaka any anaty etamazaoro politika maro fa tao ambadiky ny fanesorana ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo sy ny fanendrena ny praiminisitra ankehitriny Solonandrasana Olivier Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina.

Voatonontonona amina resaka aferana volamena ihany koa ny anaran’ny vadin’ny filoham-pirenena, saingy mangina ny olona mahafantatra ny zava-misy marina satria matahotra ny hiharan’ny fanaparam-pahefana. Maro ireo olona tezitra, mimenomenona sy velon-taraina noho io fihetsiky ny vadin’ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-dia aminy io, saingy hatreto aloha tsy hita izay hatao satria tena atody miady amam-bato.

TSY FANTA-POTOTRA

Ankoatra izay, miteraka resa-be ny tantaran’i Voahangy Rajaonarimampianina. Ny hany fantatra dia efa vady faharoa an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ny tenany ary efa nanan-janaka teo alohan’ny nivadian’izy ireo. Tsy fantatra mazava ny tena anton’asany raha ampitahaina amin’ireo vadina filoham-panjakana teo aloha. Rtoa Mialy Rajoelina, ohatra, dia fantatra mazava hoe nianatra momba ny fitantanana orinasa ary zanak’olona manan-katao teto Antananarivo, nitantana ny INJET ny tenany. Rtoa Lalao Ravalomanana dia niaraka nanorina ny Tiko tamin-drangahy vadiny Marc Ravalomanana ary filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Tiko Group.

Toky R

TiaTanindrazana

HERY 3

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s