« Andeha hitory ny GTT ny Zandarmaria. Tsetsatsetsa tsy aritra ». Raharimanana Patrick.

 

Tsetsatsetsa tsy aritra

 

Andeha hitory ny GTT ny Zandarmaria fa nanendrikendrika ny vadin’ny Filoha ho nanery ny Zandary ampiditra olona. Mahatsiaro voatohitohina ihany koa ny Zandary.

Raha politika ny resaka dia izaho manokana dia tsy mitovy fironana amin’ny GTT izay fikambanana any Frantsa manohana an’i Ravalomanana.
Fa andao jerena amin’ny solomaso tsy misy resaka politika.

Raha hitory ny GTT ny Zandarmaria dia lalana roa no mety aleha.

– Article 20 malagasy. Izany hoe hitory eo anivon’ny fitsarana malagasy.
Eo dia efa tapina ny daomy, satria ny fitsarana dia mitsara heloka natao teo amin’ny faritra sy toerana nitrangan’ny heloka.
Tany amin’ny blog internet no namoahan’ny GTT ny resaka, ka ny toerana nisy ny heloka, raha tena meloka ihany koa aloha, satria mety ho marina ilay teny navoakan’ny GTT raha misy porofo izy, dia any an-dafy.

Ny fitsarana malagasy dia tsy afaka hitsara heloka nitranga tany an-dafy.

– Raha hitory any an-dafy indray ny Zandary.
Ny fitsarana frantsay tsy maintsy anontany hoe inona no hidiran’ny Zandary amin’ny affaire n’ny vadin’ny filoha ? Tapina koa izany eo ny daomy ary double 6 sarotra atelina eo.

– Raha hitory fotsiny izy hoe fanalana baraka ny Zandary malagasy, dia ny fitsarana toy itony dia mety maharitra 2 taona, dila ny 2018, ary raha kely indrindra dia andaniana vola 30 000 euro, izany hoe 600 millions fmg. Raha resy dia mety mbola afaka takiana onitra 20 000 euro. Izany hoe mety ho lany 1 milliard fmg.

Ka asa na tokony andany andro sy vola amin’izany izahay vahoaka mamelona anareo Zandary na izany vola 1 milliard izany anaovana ny fandriampahalemana izay tsy voafehy mihitsy ka lasa ianareo Zandary izao no lasa halam-bahoaka sy fahavalon’ny olona.

Ampitiavana rahalahy Paza no ilazako fa tena leo anareo Zandary sy Polisy ny olona satria ianareo tokony haron’ny vozona no lasa mamono sy mandroba, ny kolikoly tsy resahina intsony.
Tofoka e, izay no mahafehy azy.

Mirary soa rahalahy Paza.

Patrick (Raharimanana Patrick )

(Sary fampihaingoana nindramina)

zandary-sy-gtt

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s