« Nofy », Christiane Ramian.

 

Nofy.

 

Inay nofiko hono ny latabatra nivelatra
Indreo hanimpý nitono sy jiro nanjelatra
Nandray ireo sahirana nandritry ny andro iray
K’indro izy miramirana mba nisakafo indray…

Ny zava-misy anefa ny vazaha sy ny mpanana
No ho voky hirefarefa hiady ny laharana
Ndeha hosesefankanina ho voky voninahitra
Ny ory hitanontanona andeha hiraoka ahitra

Inay nofiko hono ilay tranombahiny goavana
Tondraka ronono nanasa ireo tsy manana
Nitoetra tao zareo mpatory amoron-dalana
Nangina ny toreo, nihavao ny Tanindrazana

Ny hany mba mitranga, ny omaly tsy miova
Ny ambony saranga no mitoetra eny andRova
Ny vazaha hajahajaina, ny gasy nohambaniana
Vahiny no hampihantaina tsy misy fitsitsiana. ..

Tsy ilaina intsony isika ry vahoaka Malagasy
Tsy mila ny safidintsika intsony i Mananasy
Fa efa vita aloha miaraka amin’ireo vazaha
Ny tetik’Iavoloha hitoetra mandra-paha. …

Meteza isika mponina hifanome ny tanana
Hanampy, hampionona ireo ory sy tsy manana
Aza miandry ireo voky fa tsy ao antsainy izany
Aza manary toky fa ho ravo indray andro any

Nofy.

(C) Christiane Ramian

nofy-c-ramian

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s