Aiza moa no handroso ! TiaTanindrazana.

Aiza moa no handroso !

22/09/2016

Vaovao nalaza tamin’ity herinandro ity ny ankisisika amin’ny fampidirana mpianatra ho manamboninahitra ka voatonona ny vadin’ny filoham-pirenena sy sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria.

Tany anaty fesiboky sy tranonkalana fikambanana Malagasy any ivelany any no nielezany. Nokobokobonin’ny marina ny mpitondra ka mitady izay hamaharana. Terena hampidirana resa-politika ny resaka ka nanononana ny anaran’Atoa Marc Ravalomanana ho ao ambadiky ny fivoahan’io resaka io. Miha miitatra ny fingana ara-politika isan-karazany hamelezana ity ny filoha teo aloha ity. Nandeha ny resaka Andohatapenaka izay sotasota sy fitarihana azy hihoa-pefy saingy tsy nahomby ny tetika noho ity farany tsy tia korontana.

Mandeha indray ny resaka fampidirana mpianatra ho manamboninahitra ary foronina ho tompon’antoka ny tenany. Fandotoana ara-politika no betsaka noho Atoa Marc Ravalomanana atahorana mafy amin’ny fifidianana ho avy. Ho avy ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny heloka ara-toekarena sy ara-ketra izay hamelezana ireo mpandraharaha ka maro ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra.

Ity fanjakana ity ve izany dia tsy mba hanana laza tsara ? Aiza moa isika no handroso !

Toky R. TiaTanindrazana (Gazety)..

Avatar du site actuel

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s