« Ho anao », Christiane Ramian.

Ho anao.

 

Voatelin’ny fiainana ka tsy miteny intsony
Ny feon’ny fitarainana no asandrany ambony
Tsy misy intsony ny hery hijoro toy ny olona
Miafina sy miery no niafaran’ny tolona.

Ny vavambasy mihatra no valim-pitakiana
Hery mivatravatra tsy afaka hikomiana
Voahetry mba hahantra tsy hanana safidy
Tsy misy mba miantra ireo olomboafidy

Anjatotaona izao no tompontany mionona
Tsy misy azo atao, afatsy ny ngonongonona
Fa atody sy ny vato, hihoatra mba haninona ?
Indrindra tato ho ato efa zary tsinontsinona

Tsy misy raha manjary fa mamikotra izay tsy izy
Halatra miharihary sy herin’ambozizy
Fa matimboninahitra mandrovitra ny tsihy
Nefa ny Ambanilanitra mihika fa tsy tia.

Dia samy eto isika ho hita ho’aho izay mafy
Raha sanatria mandriaka ny rà fa hifandrafy
Efa anareo ny basy, efa anareo ny harena
Fa ANAY MALAGASY izato Firenena!

Raha tianareo ry Sinoa, ndeha mankany aminy
Mba trandraho koa, bodoy izany taniny
Raha hiaro ireo vahiny ndana miampita any
Ho hita ianao raha tiany raha midongy tany.

Ho anao.

(C) Christiane Ramian

ch-ramian-a

un-cri

2014-01-10 09.33.54

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s