25/09/2016. Tsena Ankasina may, valo (8) no maty… Famangiana (CUA). Video.

HAI-TRANO TENY ANKASINA ny 25 09 16

Volana vitsivitsy izay no nirehetan’ny trano hazo maromaro tao Ankasina 30 metatra atsimon’ny tranga hai-trano omaly 25 09 16 tokony ho t@ 11 sasany alina tany.
T@ 11 sy 37 mn no nisy niantso ny Mpamonjy Voina momba ny hai-trano goavana eny Ankasina indray. 9 mn no nahatongavan’ny Mpamonjy voina teny an-toerana ary vao teny an-dalana dia efa niantso fiara-be fanampiny ireo teny an-dalana, nohon’ny fahitan’izy ireo sahady ny hazavana be teny an-danitra.


Ora iray no namehezana ny afo, niaraka t@ ireo fokonolona teny an-toerana .ary tany @ 4 tany ho any vao afaka nody ireo Mpmaonjy voina rahefa vita ny asa.
Teo @ 5 teo ireo trano biriky nifanakaiky ireo trano hazo no tratry ny afo. Nisy ain’olona 7 tavela tao ary raha araka ny voalazan’ny Sefo fokontany dia nahatratra hatrany @ 50 tafo tany no nirehitra, nisy fianakaviana 112 ary 460 tsy manankialofana.
Fiarabe 7 no nifarimbona teny ary nampiasa motopompe 2 nanampiana ny famonoana ny afo. Niaraka t@ ireo Mpamonjy voina 35.
Nanano-sarotra tokoa ny asam-pamonjena satria nohon’ny tsy fisian’ny lalana mankany @ ilay toerana dia voatery notaritina lavitra ny fantsona mitondra rano. Ary efa talohan’ny nahatongavan’ny Mpmaonjy voina no efa nijoalajoala tokoa ny afo.
Na dia nampalahelo tokoa aza ny zava-nisy dia betsaka ny trano voaharo na trano hazo na trano biriky.
Ny Mpamonjy voina dia mankahery ireo niharam-boina ary mampatsiahy antsika hatrany fa isika tompn’ny trano no tompon’andraikitra voalohany momba ny tranontsika. Noho izany dia fidio tsara ny toerana hanorenana – ny akora ampiasaina – ny fenitra rehetra tokony ho arahina, sns. 

Aleo dia lazaina eto ny hevitra!!raha mandinika isika dia mbola be trano tafo-bozaka ny manodinana renivohitra(Tana),miala 10km,an’ny Tana isika dia efa mahita izany !koa maninona ireny tsy mirehitra,raha ohatra ka tena hafanan’ny andro no matonga ny hay trano,raha herinaratra indray dia tokony ho may ny akamaroan trano,fa itony amiko dia niniana atao!atao ze ialany ireo olona sahirana(zay no mahalaza azy)rehefa may ireo dia kivy ny vahoaka,satria tsy indray mandeha no nisian’ny fahamaizana tahaka izao fa matetika,dia miala eo ireo satria leo,dia lasan’ny mpanam-bola vahiny mora foana ny tany,izay io,izay no matonga anio!!tsy tonga tonga ho azy io,politika maloto fandroahana ny madinika hialany eto andrenivohitra io,tsy eto ihany anefa no misy anio fe ireny hiara-mahita ireny ny any @ faritra maro eto mada!!

voina-1 voina-2
Isika Namana Cua Serasera 

28/09/2016. Famangiana.

Photo de CUA serasera.
Photo de CUA serasera.
Photo de CUA serasera.
Photo de CUA serasera.

CUA serasera

FAMANGIANA TRABOINA TENY ANKASINA

28/09/2016.
Androany maraina no tonga nitsapa alahelo ireo fianakaviana traboina sy namoy havana vokatry ny haintrano teny Ankasina (Boriborintany Voalohany) ny alahady nifoha alatsinainy teo ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo.
Nitarika ny Delegasiona sady nisolo tena an-dRamatoa Ravalomanana Lalao ny Lefitra-Faharoan’ny Ben’ny Tanàna Andriamorasata Julien, sady nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo traboina 460 : Vary 1 taonina, Seaux 100, Koveta 50, Vovo-tsavony 2 baoritra ary Biscuits .


Miara-miombona alahelo amin’ireo voakasik’ity voina mampalahelo ity ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo-Renivohitra sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra, ary mankahery azy ireo.

IZA ?

55 personnes décédées depuis janvier 2016

mercredi 28 septembre | Yvan Andriamanga

Les incendies se suivent et se ressemblent à Madagascar avec son lot de morts, de sinistrés, de sans abri. La dernière en date a touché, pour la deuxième fois cette année, le quartier d’Ankasina au 67 ha. Dans la capitale, ce sont surtout les quartiers populaires où la promiscuité des habitations voire de taudis qui empêchent les pompiers de travailler normalement dans unDÉLAI raisonnable. Les constructions sauvages sans normes, en bois et/ou encastrées les unes sur les autres règnent en maître à Antohomadinika III G Hangar, Antohomadinika Atsimo, Ankasina, Antsalovana et les environs de tous ces bas quartiers. Les habitations y font les frais d’incendies fréquents sans que personne ne prenne de disposition.

En tout cas dans tout Madagascar, 55 personnes ont péri dans différents incendies rien que pour cette année. Des milliers d’habitations ravagés, des dizaines de milliers de personnes sans abri répartis dans toute l’île. Comme l’assurance incendie et l’assurance tout court est une notion inconnue de la population, les sinistrés sont laissés à leur sort. Rares sont les autorités qui prennent la peine de les venir durablement en aide ou du suivi des sorts des sinistrés. Les logements sociaux à loyer modéré ou en vente location modéré destinés aux petites gens sont d’une autre époque.

Madagascar Tribune.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s