Soamahamanina: « Avoay ny fifanarahana lazaina fa gagnant-gagnant », Raharimanana Patrick.

1,4% ho an’ny malagasy !!! Tsy rariny e.

Soamahamanina: Avoay ny fifanarahana lazaina fa gagnant-gagnant

Nameno ny haino amanjery ny talen’ny Kabonetran’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany omaly alatsinainy, nilaza moa izy fa tsy fivarotana tanindrazana velively no natao fa fifanarahana izay ahazoan’ny andaniny, ny Sinoa, sy ny ankilany, ny kaominina, ny Faritra ary ny Fanjakana tombony no natao.

Koa asehoy ny vahoaka Malagasy tompon’ny harena ary ny fifanarahana, ataovy ny mangarahara ary atsaharo miaraka amin’ny vava ny fisamborana sy ny ramatahora isan-karazany.

Rehefa izay vao azo resahina ny momba ny fitrandrahana, raha tsy misy kosa ny mangarahara dia naman’ny fivarotana tanindrazana hatrany ny fanomezana alalana hitrandrahana ny harena mandritra ny 40 taona.

Hatreto dia 1.4% ihany no namafisin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ho anjaran’ny Malagasy ao anatin’ny làlana nampandaniany ny solombavambahoaka ny taona 2014.

Ka raha volamena 5 taonina isan-taona izany no mety ho vokatra ao Soamahamanina, izay mitentina 500 miliara ariary (Ampahatelon’ny karaman’ny mpiasam-panjakana rehetra manerana ny nosy isan-taona 1 800 miliara ariary) dia 7 miliara ariary fotsiny izany no anjaran’ny Firenena Malagasy, 4*4 raitra 5 ihany.

Eto dia hevitra taingina ny filazana fa tsy manana olona mahay momba ny harena ankibon’ny tany ny Malagasy. Nefa ny minisitra aza indraindraina ho olona mahay manokana momba izany.
Taingina ihany koa ny filazana fa tsy manana fitaovana sy teknolojia isika, azo vidiana soa amantsara izany, tsy secret défense toy ny hividy mirage 2000 akory ny fitaovana fitrandrahana volamena, ary tsy lafo mankaiza ka tsy ho takatry ny fanjakana malagasy.

Mety ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny fa raha ny momba ny volamena sy vatosoa, dia vitan’ny mpandraharaha malagasy tanteraka izany.

www.sobikamada.com

Copyright © SobikaMada.com

soamaham-4

soamahamanina-aa1 Drapeau chinois

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s