26/09/2016. H. Rajaonarimampianina. Toamasina.

Toamasina.

Hopitaly be.

May ny tanàna Ny mpitondra mirevy

27/09/2016

Any Toamasina nanomboka omaly alatsinainy antoandro ary hiverina ny alarobia 28 septambra ny mpitondra fanjakana rehetra eto Madagasikara ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka dia ny filoham-pirenena, ny praiminisitra ary ny mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta.

Fitokanana zava-bita, fanolorana mariboninahitra mpitsabo ary fiatrehana ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra mitety faritra no anton-dia. Fantatra koa anefa fa maro ireo manampahefana nombam-bady aman-janaka satria mba hanararaotra kely hiala sasatra ihany koa izy ireo. Araka ny angom-baovao natao omaly hariva dia maro amin’ireto manampahefana ireto no mipetraka amina hotely amina sarany 400 000 Ariary sy 600 000 Ariary isan’andro, tsy resahana intsony ny hanimpitoloha sy ny revirevy isan-tsokajiny. 32 ny mpikambana ao anatin’ny governemanta Solonandrasana.

Raha hanaovana kajy tsotsotra hoe samy miditra ao amin’ilay hotely mihofa 400 000 ariary isan’andro avy izy ireo dia 12 800 000 Ar isan’andro izany ny volam-panjakana mivoaka, izany hoe 38 400 000 ao anatin’ny 3 andro. Mbola misy vady aman-janaka sy mpiara-miasa mety ho maromaro anefa miaraka amin’ny minisitra tsirairay avy ka azo antoka fa hibontsina izany ny kajy. Tsy mbola resahana eto ny hofan’ny fiaramanidina sy ireo fiara 4×4 maro be lasa any Toamasina sy ny solika lanin’izy ireo izay samy volam-panjakana no handoavana azy.

Manan-jo hiala voly sy hiala sasatra mihitsy ny tsirairay saingy manahirana ihany ny mieritrerita fa natao maimaika ny fijerena ireo may trano sy namoy fianakaviana ary traboina 400 mahery teny Ankasina omaly maraina satria maika ho any Toamasina ny governemanta. Ny firenena miaina anaty krizy, ireto mpitondra anefa tsy mahafehy tena fa manao miara-mirona handany volam-bahoaka any Toamasina.

Izany ve no hitan’ny mpitondra fa fanapariaham-pahefana ? Ireo mpitondra avy ao amin’ny fitondrana foibe indray no mitety an’i Madagasikara fa tsy mba ny tompon’andraikitra any an-toerana no omena fahefana sy tetibola hahafahany miasa sy mampandroso ny faritra misy azy. Na ireo firenena tandrefana tena manankarena aza tsy manao fomba fiasa tahaka izao. Hafa mihitsy ny eto amintsika e !

RTT Gazety TiaTanindrazana.

Rajaonarimampianina en pré-campagne : Des teeshirts à son effigie distribués à Toamasina

Alors qu’il a encore au moins deux ans sur son mandat de cinq ans, le président Hery Rajaonarimampianina se lance déjà dans la pré-campagne en vue des présidentielles de 2018. Ce qui s’est passé hier à Toamasina en est la preuve.

En effet, la forte délégation du pouvoir conduite par le locataire d’Ambohitsorohitra a inauguré des « réalisations » dans la capitale de Betsimisaraka. Parmi ces « réalisations » figure le recrutement de 1041 maîtres FRAM pour la région Atsinanana. L’initiative de l’Etat est louable, certes, mais ce qui a frappé hier l’imagination des observateurs avertis, c’est le fait qu’on a distribué à ces nouveaux fonctionnaires qui vont servir l’Etat dans unDÉLAI indéterminé des teeshirts à l’effigie du président de la République Hery Rajaonarimampianina. Les inscriptions vues sur ces teeshirts rappellent que le recrutement de ces maîtres FRAM entre dans le cadre de la réalisation des promesses présidentielles. Pour certains, la politisation de l’administration est en cours au sein du ministère de l’Education nationale. Excès de zèle du ministre Paul Rabary ou une stratégie de pré-campagne dictée d’en haut lieu ?

Budgétivore. Outre les autres inaugurations présidées par le chef de l’Etat, la capitale de Betsimisaraka a abrité hier dans l’après-midi le premier Conseil des ministres décentralisé de l’ère Rajaonarimampianina. Il s’agissait d’un Conseil des Ministres « élargi » car les hauts responsables étatiques dans la région Atsinanana ont pu y assister.  La tenue de ce Conseil des Ministres décentralisé s’avère budgétivore dans la mesure où chaque membre du gouvernement y a conduit une forte délégation de son département ministériel.

Ce qui est certain, c’est que les dépenses liées aux déplacements de ces délégations sontSUPPORTÉES par le budget de l’Etat. N’y a-t-il pas d’autres priorités que de tenir ce Conseil des Ministres budgétivore ? A lire le communiqué de ce Conseil des Ministres décentralisé de Toamasina, il n’y a que des communications verbales, faites uniquement par 9 départements ministériels. En tout cas, pré-campagne oblige. Le président Hery Rajaonarimampianina et les barons du HVM ont d’ailleurs déclaré que les opposants doivent respecter l’alternance démocratique. Actuellement, tous les moyens sont bons pour permettre à l’actuel président de la République non seulement de terminer son mandat, mais aussi et surtout d’en briguer un deuxième.

R. Eugène.  

 –

Tranga roa mampalahelo.

Tranga nampalahelo tamin’ny fandalovan’i Rajaonarimampianina tao amin’ny Hopital Be Toamasina
Nisy lehilahy hiividy fanafody teo amin’ny pharmacie ivelan’ny Hopital Be. Tsy afaka miditra ianao raha tsy afaka #adiny_iray fa handalo president hoy ny mpiambina teo am-bavahady. Ilain’ny marary karakaraiko maika ity fanafody tokony hovidiako ity hoy ilay lehilahy fa tsy neken’ilay mpiambina vavahady mihitsy.
ny tena nampalahelo dia maty ilay marary fa tsy nahazo ilay fanafody miihitsy. Hivaly aminao anie #raHery ny alahelom-bahoaka aminao e! ka mba tongava saina ihany

Sarah Ramanantsoa 

#4x4_Présidetiel Nandona cyclo-pousse teo Ankirihiry ny 4*4 iray ny présidence ny Alatsinainy lasa teo. Tsy vitany nadona ihany ilay mpamily fa mbola nadrahona ihany koa, ary rehefa tsy nanaiky ny fandrahonana ilay mpitondra pousse dia nisy Miaramila nivoaka tao amin’ilay fiara ary tonga dia namelaka tehamaina an’ilay mpitondra pousse.

Tena tsy valahara mihintsy ny olona miaraka amin’ireto HVM ireto.

 toamasina-8 rajao-toamasina-5

rajao-toamasina-3

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s