« Tsy fanarahandalàna = anton’ny fahantràna », Christiane Ramian.

Tsy fanarahandalàna = anton’ny fahantràna

 

Mitaraina loatra fa ory sy mahantra
Kanefa izy ihany no tena tsy mihantra
Mikiky sy mandavaka ny vohon’ilay tany
Dia izy Ireo ihany no mikiakiaka tomany

Ongotany ny ravaky ny sisin’arabe
Izay mahita azy maka sary mihomehy
Mamafy ny ambin-kaniny anaty lakan-drano
Ny kaontera apaokany na jiro na ny rano!

Ny tranony tohizany tsy ahazoany alalana
Hanorenany avokoa na tohatra na lalana
Tsy misy iraharahiany izany toerampidiovana
Fa tiany ny antsoina hoe « ireo fadiranovana »

Ny fiarany mirara-menaka etsy amorondalana
Tsy te handoa toerana fa mialangalana
Ny fiarany manetroka miteraka aretina
Fa izy anefa jenitra madio tsy misy pentina

Ireo fiara hoe mpitatitra toa fitondrana biby
Voretra sy mikotrana asiana lamboridy
Ety sy misisika tsy misy fanajana
Tsy inoana loatra hoe manaraka lalàna.

Ny hopitaly indray toa famoahandrazana
Ny fomba fitsaboana toa mampihidy vazana
Fafy katrana ny vola fa tsy hita izay aterany
Ireo izay mafy ady aloha dia efa feperany. .

Ny mpanana ihany koa tsy mbola mety voky
Mikolikoly hatrany isaky ny manao toky
Tsy maintsy aseho miharihary fa manefoefo
Trano mijoalajoala fa raha tsy izany tsy sefo!

Ny sasany mandavaka mitrandra-bolamena
Ny sasany mivarotra eny ivelan’ny tsena
Tsy misy na iray aza hanaiky ny lalàna
Na ny olontsotra, na ny olompanjakana

Minomino foana sady mora sodokaina
Amidy hatramin’ny fanahy raha hanavotr’aina
Tsy mijery lavitra fa ny sitrany ahay
Efa hita fa tsy mety fa indrisy tsy mba fay

Dia aza mody gaga raha faravodilisitra
Fa mendrika tokoa ny teny hoe gisitra
Laroan’ny habadoana sy ny fitiavan-tsaho
Dia tsotra ilay vokany: »izao mitranga izao »

 

Tsy fanarahandalàna = anton’ny fahantràna

(C) Christiane Ramian

Mamitiana a5 Mafia à Madagascar

Hery 4 Juin 2016

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s