« Tatitra iraisam-pirenena: Mihemotra hatrany i Madagasikara », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Tatitra iraisam-pirenena: Mihemotra hatrany i Madagasikara

 

Ventiventesin’ i Rajao foana ny hoe « efa mizotra mankany amin’ny fandrosoana isika, efa miasa ny mpitondra,… kanefa raha mijery ireo tatitra avoakan’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena any ivelany any dia mifanohitra amin’izany voalazan’ny filoham-pirenena izany ny zava-misy. Araka ny tatitra navoakan’ny WEF (World Economic Forum) tany Genève ny 28 septambra lasa teo dia nihemotra i Madagasikara raha eo amin’ny resaka « Compétitivité économique » na ny fahavitrihana ara-toekarena ary any amin’ny laharana faha 27 no misy antsika raha ny filaharan’ireo firenena aty Afrika, faha 128 kosa raha manerana izao tontolo izao.

Saika ireo tany ahitana gidragidra, na voa avy nivoaka tao anaty ady an-trano no mba resin-tsika, tahaka ny hoe RD Congo, Liberia, Sierra Leone, Centre Afrique, Burundi, … Ny Nosy Maurice moa no voalohany ao anatin’ity tatitra navoakan’ny WEF ity ary manaraka azy kosa i Afrika Atsimo. Izany no vao maika manaporofo fa tsy miasa ity fitondrana ity ary tsy mahavita azy fa resaka fotsiny no betsaka. Raha tena mandroso marina ny toekarena eto amintsika, maninona no mahita ny sampandraharaha mpanao fanadiadiana any ivelany any fa mihemotra isika Malagasy? sa hoe ry « Mitsangana Ry Malagasy » no ao ambadik’io WEF io! na ny fiombonamben’ny Eveka katoliaka ka miteniteny foana?

world-economic-forum
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s