« Voatendry mpanolontsaina manokana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Marc Ravalomanana ».

Fampandrosoana an’Antananarivo Hamerina ny traikefany I Dadavalo

03/10/2016

Fantatra nanomboka ny sabotsy lasa teo fa voatendry ho mpanolontsaina manokana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Marc Ravalomanana.

Efa avy ben’ny tanàna teto Antananarivo tenany ary niaraha-nahita ny fandrosoan’ny Renivohitr’I Madagasikara tamin’ny fotoana nitantanany. Nanana fomba fiasa haingana ary nipaka tamin’ny sarambabem-bahoaka izy, raha tsy hilaza afatsy ny fanamboarana fotodrafitrasa isika.

Hiverina hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana an’Antananarivo izay lasa nihemotra tanteraka vokatry ny gaboraraka teto amin’ny firenena indrindra fa taorian’ny taona 2009 ny tenany. Tsy vao izao Atoa Ravalomanana no hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny Kaominina eto Madagasikara fa efa nisahana ny fitarihan-dàlana ireo ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako I Madagasikara tamina kaominina maro ny tenany ary nanofana azy ireo ho tena mpitarika sy tena hampandroso ny kaominina tantaniny. Maro ny manantena fa hitondra vokany tsara sy azo tsapain-tànana amin’ny fampandrosoana an’Antananarivo izao fitazomany ny andraikitry ny mpanolon-tsaina izao.

Fantatra ny fahaizan’Atoa Marc Ravalomanana amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka noho ny fahatokisan’ny avy any ivelany azy ary inoana fa hitondra vahaolana amin’ny olana mahazo ny kaominina amin’izao fotoana izao, indrindra ny lafiny famatsiam-bola ny tenany. Tsapa ho tratry ny ankivy politika avy amin’ny fanjakana foibe ny Kaominina noho ny lonilony politika ny mpitantana ka zava-dehibe ny fananana olona mahay mifampiraharaha amina mpiara-miombon’antoka toa an’Atoa Marc Ravalomanana.

Tsy vahiny amina resaka fampandrosoana rahateo ny tenany ka maro ny mandondom-baravarana hiara-hiasa aminy.

Toky R. TiaTanindrazana.

CUA serasera

the-time-ravalomanana

Voatendry ho mpanolotsaina teknika manokana Atoa Marc Ravalomanana.
Araka ny fandaminana anatiny ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ho fanatsarana hatrany ny asa ao anivon’ny fiadidiana ny tanàna dia notendrena ho mpanolotsaina teknika manokan’ny ben’ny tanàna, Atoa Marc Ravalomanana, io fanendrena io dia nivoaka ny 26 septambra lasa teo. Mitohy ihany arak’izany ny fanendrena olona sy ny mety ho fanalana olona ihany koa ao anivon’ny CUA, ho fanohizana ny fanadiovana anatiny sy ny fandrindran’asa.

Mahabe resaka ny olona sasany ny fanampian’Atoa Marc Ravalomanana ny CUA nefa amin’ny maha vadin’ny ben’ny tanàna azy no tsy maintsy anaovany izany, izy tokoa no mpanolotsaina manokana voalohany ny ben’ny tanàna araka ny lôjika ara-panambadiana.

Ankoatra izany, efa ben’ny tanànan’Antananarivo i Dada ka afaka manome torolalana tsara an’i Neny sy ny ekipany, efa filohampirenena ihany koa izy; ny traikefany amin’izany rehetra izany dia ilain’ny Kaominina tokoa amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fampandehanana araka ny tokony hoy izy ny asany, indrindra eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny tanàna sy ny mponina ao aminy, amin’ny fananany mpiara-miombon’antoka maro na teratany na vahiny, ho afaka hifanome tanana amin’ny CUA.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s