« Tsy i TGV, na i Ravalomanana, na koa i X sy Y no fahavalo ankehitriny », Mcm.

Tsy i TGV, na i Ravalomanana, na koa i X sy Y no fahavalo ankehitriny… « Tsy mahavitazy ny Fanjakan’Atoa  Hery Rajaonarimampianina », izay no misongadina eo aminy fiainampirenena (Jirama, Air Mad, Silamo, Karana, Frantsay, Sinoa sy ny fitrandrahana volamena maneranan’ny Nosy, ny Zandarimaria sy ny Fitsarana feno kolikoly, ny Fitondrana tsy mitsinjo ny vahoaka, ireo faty olona etsy sy eroa noho ny tsy fandriapahalemana, ny taolam-patin’ireo Razana nangalarina, ireo doro trano sy tsena tsy voatanisa intsony, ary omena ny vahiny ny tany sy harena (Accaparement des terres-achats frauduleux de terrains (Tanà-Filatex) et les ressources naturelles pillées…), ianareo mpanao asa tsy mendrika, indrindra ny mpitondra Fanjakana (kolikoky, mameno posy, taratasy sandoka…). Resy be raha izao no atao hoe… « Gouvernement de combat ».

Ary aza adino fa na i TGV na i Hery Rajaonarimampianina dia samy tratrany heloka be vava izay mitarika fanamelohana mandra-maty (perpet), noho izy ireo nanonga-panjakana (les 109 condamnés). Izany no lalàna mifehy ny Tany Tan-dalàna.

Ary raha mitady filaminana dia ataovy tsara ny asa. Aiza ny Mbs, radio Fahazavana sy ny haino amanjery nakatona no mbola tsy misokatra ? Ireo Tiko sy Magro anaovana atsonjay isan’andro ? Ny ady aminy Fahantrana, ny ankizy tsy mianatra, sns maro be…

Maninona no tapenam-bava izay mitsikera sy manome hevitra hafa… (Code de la Communication. Art 20, Cybercriminalité, sns…) ? Aza mitady fahavalo fa ianareo ihany no fahavalonareo. MCM.

Andry Rajoelina Hosamborina raha vao migadona ?

04/10/2016

Tamin’iny herinandro nivalona iny no voalaza fa higadona eto an-tanindrazana Atoa Andry Rajoelina raha ny fanomezam-baovaon’ireo olona akaiky azy saingy tsy nipoitra ny tenany.

 

Antony maro no mety ho nahatonga izany. Nisafidy ny mbola hijanona any ivelany ihany aloha ny filohan’ny tetezamita teo aloha raha ny re avy amin’ireo olona akaiky azy. Ny fahatongavan’i Andry Rajoelina eto amin’ny firenena dia mety hampahazo vahana ny hetsi-panoherana ka tsy maintsy ataon’ny fanjakana ny fomba rehetra hanalefahana sy hampitsaharana ny hetsiky ny mpanohitra, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy. Manahy mafy ny hosamborin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny tenany raha vao migadona eto.

Efa matahotra mafy ny toerany rahateo ny fanjakana manoloana ny hetsi-panoherana sy ny fahasosorana eto ka miezaka mamono afo amin’ny alalan’ny fampiasana hery famoretana sy fanenjehana ireo mpitarika ka manomboka lasa lamaody indray ny fisamborana mety hiafara amin’ny fanagadrana. Efa miditra amin’ny herisetra mihitsy aza ny mpitondra ankehitriny hisakanana izay mety ho hetsika politika manohintohina ka enjehina mafy ireo mpanao politika mitarika vahoaka hanohitra, anisany ireo olon-dRajoelina.

Tsiponin’ny fanjakana tsikelikely ny ekipan’ny MAPAR raha tsy hilaza afa tsy ny kolonely Lylison izay efa ho 6 volana izay no tsy hita popoka. Niaraha-nahita ihany koa ny fanenjehana an’i Augustin Andriamananoro filoha lefitry ny MAPAR, efa nahazo ny anjarany koa ny depiote Nina.

Misy ny resaka mivoaka fa efa ketrehina ihany koa izay hisamborana ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy hanagadrana azy tahaka ny efa natao tamin’i Marc Ravalomanana, raha vao tonga teto Madagasikara izy.

 

Toky R. TiaTanindrazana.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s