« Soamahamanina Nangoron’entana ny Sinoa », G. TiaTanindrazana.

.

Soamahamanina Nangoron’entana ny Sinoa

05/10/2016

Raha ny vaovao farany dia hoe nangoron’entana io omaly io ny Sinoa mpitrandraka volamena ao Soamahamanina, midika izany fa nandresy ny tolon’ny vahoakan’i Soamahamanina na izay aza anefa dia tsy maintsy hisy ihany ny fanaraha-maso sy fijerena ifotony ny ena zava-misy marina fa sao ka sinema fotsiny indray izy ity

Hisy ny andiana mpanao gazety avy aty an-drenivohitra hidina any an-toerana rahampitso alakamisy, hatreto aloha dia mbola manankery ihany koa ny hetsika ataon’ireo mponina ao Soamahamanina rahampitso.Niteraka resa-be ny raharaha Soamahamanina, nifantoka tany amin’ny hoe fandroahana ny Sinoa noho ny tsy fanekena nyfitrandrahan’izy ireo volamena ny resaka, tsara ihany anefa ny mahafantatra amin’ny andinindiny ny zava-drehetra manodidina ity raharaha iray ity mba hahafantarana ny tena marina.

Tena manan-karena

Tsara ho fantatra aloha fa nahazo fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany miisa 6 ny tompon’ny tany sy izay manofa azy. Ankoatry ny volamena dia eo koa ny vy (fer), ny « zinc », ny « beryllium », ny volafotsy ary ny viraty (plomb). Ny taona 2011 koa no efa nisy nilaza azy ho mpitrandraka safira ao an-toerana, hitan’ireo mpitrandraka vaovao, nivezivezy nanao ny varony teto an-drenivohitra ary mbola nivoaka tamin’ny gazety mpiseho isan’andro izany raha vao nanomboka nafampana ity raharaha Soamahamanina ity. Ny nahagaga anefa dia tsy tafiditra ao anatin’ilay fahazoan-dalana voalaza teo io resaka safira io. Raha ny tsenan’ny volamena sy ny zava-bitan’izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa no heverina sy halalinina dia mampanahy be ihany ny hino fa volamena fotsiny no antony mahamaika ny Sinoa hitrandraka Soamahamanina.

Mpamokatra hiaka farany

Isan’ny lohalaharana amin’ny famokarana ireny hairaha na tekinolojia hiaka farany ireny ny Sinoa. Isan’ny akora fototra ilaina amin’ny fahatomombanan’izy ireny ny safira. Isan’ny matanjaka eo amin’ny tsena sy famokarana fitaovam-piadiana ihany koa anefa ity firenena aziatika ity ka akora miasa be amin’izany ny « beryllium ». Akora fototra io hahafahana mamokatra ireny sambon-danitra sy hanamboarana fiaramanidina mpiady ihany koa.

Mampitombona ireo tarehimarika voalaza tany aloha

Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny faritr’Itasy teo aloha dia 64 karea no fitambaran’ny velaran-tany azo trandrahana ao Soamahamanina ary 7 karea amin’izay no hananan’ireo Sinoa alalana taorian’ny fanadihadiana ara-tontolo iainana. Izany hoe raha 625 metatra ny karea 1 dia tokotokony ho 4375 metatra na 4,375 kilaometatra no toerana hitrandrahan’ireo Sinoa miasa ao an-toerana amin’izao fotoana izao ary mandritry ny 40 taona. Nilaza moa ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany Atoa Mamy Francis Ranoelison fa tsy misy hidiran’ny fanjakana io resaka ao Soamahamanina io satria alalana efa an’olon-tsotra taloha no novidian’ny Sinoa ary azo atao izany. Rehefa nanontaniana ihany koa ny tenany mikasika ny tombotsoa azon’ny tompon-tany rehefa misy ny fitrandrahana toy itony dia zara-mitovy (gagnant gagnant), hoy ny tenany ny an’ny tompony sy ny mpitrandraka satria ny tompony mahazo foto-drafitrasa toy ny lalana, ny tobim-pitsaboana, ny herinaratra sy ny sisa. Ny mpitrandraka ihany koa dia mahazo izay ilainy, raha ny fanazavany.

Hetra sy tamberim-bidy

Raha ny lalàna mikasika ny fitrandrahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay hampiharina eto Madagasikara no jerena dia 1% isaky ny vokatra lafon’ny mpitrandraka dia isan’ny miditra ao anaty kitapom-bolam-panjakana ankoatry ny 25% amin’ny resaka tombom-barotra azo amin’ny famarotana ilay vokatra miampy  karazan-ketra 38 hafa. Manjavozavo tanteraka amin’ny rehetra io resaka hetra azo avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany io, tsy ny ao Soamahamanina ihany fa na ny resaka Ambatovy na ny QMM satria tsy ampy mihitsy ny fanazavana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy.Ho an’i Soamahamanina manokana dia be loatra ny resaka an-jorony sy ny ankiafinafina hany ka tezitra ihany ny mponina tany an-toerana ny farany fa toa endrika fanambakana no tiana atao.Ny Sinoa rahateo mitratrevatreva sy nanambany Malagasy ary nahagaga fa nanaiky azy ireo ny manampahefana.Nijoro ny vahoakan’i Soamahamanina nanohitra ny tsy rariny tsy sanatria mandà fandrosoana fa kosa tsy manaiky ary tsy hanaiky fanambakana sy fanimbazimbana ny tanindrazana.

Mirija. TiaTanindrazana.

  Mitohy Soamahamanina 2

 Soamahamanina. Pact Asser

Soamahamanina 1

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s