« Tena miasa hono ny filoha fa isika no jamba sy marenina », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Tena miasa hono ny filoha fa isika no jamba sy marenina

 

Teny averimberin’i Rajao matetika tato rehefa mikabary ny hoe: « Tena miasa ary mahatsangana zavatra maro ny fanjakana fa misy ireo minia tsy mahita izany ». Tany Toamasina, tamin’ny herinandro teo dia sahy nilaza mihitsy ny filoha fa sady jamba no marenina hono ireo mpanao politika mpanohitra sy ireo mpitsikera azy.

Asa tokoa aloha raha jamba sy marenina daholo ny 90 isan-jaton’ny mponina eto amin’ity Madagasikara ity satria raha misy olona 100 no miresaka aminao dia ny 90 mahita fa tena tsy misy ilaivan’azy izao fitondrana HVM izao.

Ny zavatra hiarahan’ny rehetra mahita aloha tato anatin’izay 2 taona sy 8 volana nitondran’i Rajao izay dia miha mitotongana hatrany ny fiainan’ny Malagasy. Raha tsy hiresaka ny eto andrenivohitra fotsiny dia mitombo isa isan’andro ny mpatory an-dalana noho ny fahantrana, hatrany anaty elakelan-trano amin’izao lasa feno mpivarotra noho ny tsy fisiana asa, ny vidim-piainana tsy mitsahatra ny miakatra, ny tsy fandriampahalemana moa tsy resahina intsony na aty an-tanan-dehibe, na any ambanivohitra.

Tsy misy Malagasy mahita fandrosoana izany eto fa fahantrana lalina zao no hitan’ny vahoaka. Matoa mandroso ny firenena iray dia ny vahoaka no mandroso.

tena-miasa
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s