6/10/2016. Hetsika-Soamahamanina. Jean-Luce Randriamihoatra. Video, Sary sy tatitra.

Ajoutée le 7 oct. 2016

Hatreto tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivoaka ny naman’izy ireo any Antanimora, ankoatra izay takiana ihany koa ny fanafoanana ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka any amin’ny faritry Itasy. Tsy ekena ihany koa ny fisamboran’olona tsy aminy antony ka voatondro ho tompon’antoka amin’izany ny ben’ny tanana any an-toerana.
Anisany tena mampalahelo ny mponina ny fahafantarany filoham-pirenena ny olan’izy ireo kanefa hetreto tsy misy ny fandraisan’andraikitra.

Raha tsiahivina dia tany mirefy 7 ha no voalaza ho trandrahana kanefa tany mirefy 137 ha no voatrandraka , miampy fitrandrahana fasimainty. Efa taminy 8 ora maraina no niatrana teto an-toerana ireo mpitandro filaminana. Vahoaka milamina ny vahokany Soamahamanina ka tsy mila andrasana mpitandro filaminana, betsaka ny asa miandry azy ireo toy ny fanenjehana dahalo any Bongolava kanefa lany andro ao Soamahamanina.

Raha ny mikasika ireo sinoa kosa indray dia efa tamin’ny Alatsinainy izy ireo no nangoron’entana ,tonga nanamarina izany teny an-toerana ny mpanao gazety saingy tsy nahazo alalana afa-tsy solotena vitsivitsy haka sary ka isan’izany ny mpanao gazety teto amin’ny gasikara.info.
Hk

SOAMAHAMANINA …MILAMINDAMIN-DRATSY 06 OKTOBRA 2016

.

Hiverenana ny zava-niseho tao amin’ny tanànan’ny Soamahamanina rehefa avy eo.

Fa ity asehonay sary ity ilay « carrière » voalohany nohadian’ny Sinoa ary nanakanana ny Mpanao gazety, volana iray lasa izay.

Naka zatovo niaraka taminay izahay, nalainay sary eo amin’ilay « carrière » mba ahazoanareo an-tsaina ny alalin’ny tany nohadiana ary nikarohan’ny Sinoa zavatra (volamena sy ny sisa).

SOAMAHAMANINA … SY NY MPANAO GAZETY

Nanandrana hitsidika ilay « carrière » vaovao ny Mpanao gazety, ary hanamarina ny « fialàn’ny Sinoa », kanefa dia voasakan’ireo Miaramila.
Rehefa « nangatahana raharaham-pihavanana » dia nanapakevitra ireo Miaramila fa tsy ny Mpanao gazety rehetra no entin’izy indray miaraka … fa DIMY isaky ny mandeha.

Nentin’izy ireo ireo andiana Mpanao gazety voalohany, kanefa dia tsy afaka nandroso nihoatra ireo trano lay mihidy izy ireo …
Ny andian’ny Mpanao gazety faharoa moa efa vonona ny ho entina, kanefa dia « nahazo baiko hanatsahatra ny fitsidihana » ireo Miaramila.

SOAMAHAMANINA … Misy mbola hafenina ve ?

Zavatra roa no takian’ny Mponina ao Soamahamanina :
– Hamoahana ireo namany any am-ponja,
– Hanafoanana ny « Permis » nomena ny Sinoa.
Ary tsy hijanona ny hetsik’izy ireo (Tantsaha) raha tsy miala tanteraka ny Sinoa.

Raha ny filazan’ny Tantsaha tao an-tsena taminay, dia mbola mitohy ny « fisamborana » sy ny « ramatahora » … ary ny mahagaga dia ny fisian’ny miaramila maro noho ny tamin’ny herinandro ambony, hatrany anaty ala ambany any.

Enga anie ka ho diso izahay …
… fa toa fampandriana adrisa ny « fialàn’ny Sinoa », ary mbola ahiana ny hamerenana azy ireo hitrandraka ny tany !

Raha izaho manokana aloha tena tsy ho saiko eo anatrahan’ny tanindrazana iombonana sy ny taranaka ny hanome ny Sinoa hitrandraka 40taona ny volamena eto amintsika izany raha tsy mazava hoe : firy marina ny habetsahan’ny volamena omena ireo Sinoa sy ny tombotsoa ho azon’ny firenena Malagasy.
Mila mangarahara daholo ireo fotodrafitr’asa talohan’izany volamena izany .
Na dia 5taona aza izany fifanarahana izany tsy mety amin’ny eritreritro !
Raiso ny andraikitra ry mpitondra raha tena mahatsiaro fa ray Amandreny feno fahendrena sy fitiavana marina ianaredo !

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s