07/10/2016. Marc Ravalomanana Nihaona tamin’ireo nanongana azy. G. TiaTanindrazana.

Marc Ravalomanana Nihaona tamin’ireo nanongana azy

07/10/2016

 

Tranga nanamarika ny andron’ny omaly alakamisy 06 oktobra 2016 ny fihaonana nivantana teo amin’ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara,

Marc Ravalomanana sy ireo mpanao politika lohandohany nanongana azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009, mivondrona eo anivon’ny ARMADA (Alliance républicaine de Madagascar) ankehitriny, nahitana an’i Razanamahasoa Christine (MAPAR), Hajo Andrianainarivelo (MMM), Camille Vital Albert (Hiaraka Isika) niampy an’i Dr Jean Louis Robinson (Avana).

Teny amin’ny Tour Zital, Ankorondrano ny fihaonana ary teo anatrehan’ny solontenan’ny Vondrona Eoropeana, mifanandrify indrindra amin’ny dian’ny Tale jeneralin’ny sampandraharaha eoropeana misahana ny raharaha ivelany, Koen Vervaeke. Raha ny loharanom-baovao dia noresahina tamin’ny fihaonan’izy ireo ny raharaham-pirenena ankapobeny eto Madagasikara ary koa ny fifidianana. Samy nanana ny fomba fijeriny sy ny heviny ary ny mety ho vahaolana ny andaniny sy ankilany avy. Tsy voaresaka kosa na nisy fifanarahana iombonana haroso hamahana ny olana eto amin’ny firenena.

Nampirisika ny hisian’ny fifampiresahan’ny mpanao politika eto Madagasikara ny SADC nandritra ny fihaonam-be faratampon’ny SADC andiany faha-36, ny 30 sy 31 jolay 2016 tany Mbabane Swaziland, hisian’ny fitoniana hahafahana mibanjina ny fampandrosoana ny firenena. Hatreto tsy mitsahatra manangan’ady ny mpitondra, raha toa ka mamboka mifanantona ny mpanohitra. Eo ny Dinika ho Fanavotam-pirenena izay manao filankevi-pirenena mandritra ny roa andro, hatry ny omaly, eny Mandrimena Andoharanofotsy.

Dingana vaovao ihany koa ity fihaonana teo amin’i Marc Ravalomanana sy ireo nanongana azy teo amin’ny fitondrana fito taona lasa ity. Marc Ravalomanana moa mamerimberina hatrany fa misokatra amin’ny fifampiresahana sy fifampidinihana fa efa tena trotraky ny fahantrana ny Vahoaka ary latsaka an-katerena ny toekarem-pirenena. Izy rahateo nanambara hatrany fa hanokana ny andro sisa iainany hikatsaka izay hanasoavana ny Vahoaka malagasy sy hampandrosoana an’i Madagasikara.

Jean D. TiaTanindrazana.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s