07/10/2016. CUA-Antananarivo. Mitohy ny asa fanadiovana. Ambondrona, Faravohitra …

.

AMBONDRONA, Fanadiovana faobe

Mitohy hatrany ny fiaraha-mientan’ireo vondrona maro samihafa eto anivon’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’ny fanadiovana ny tanàna. Izay nahitana : ny DAS (Direction des Affaires Sociales), Polisy Nasionaly sy Monisipaly, ny ekipan’ny Boriboritany voalohany, ny DTP (Direction des Travaux Pratiques), ny ekipan’ny fanadiovana sy ny maro hafa ihany koa. Raha zohina dia niisa 50 teo ho eo ireo nirotsaka an-dalana tamin’ity hetsika fanadiovana ity izay natao ny tontolon’ny andron’ny Alakamisy faha 06 ny volana Oktobra 2016 teny amin’ny faritra Ambondrona. Nanomboka teo amin’ny EPP Soaranoary nifarana teny Farahavohitra (JIRAMA).


Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ny « fanasoavana ny vahoaka », satriamanombokaenyamin’izy ireo ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny tanàna. Ankoatra izay ,dia ho fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra ary farany dia ny fanentanana ny isam-batan’olona amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanadiovana.
Amin’ny maha fanadiovana faobe ny teny Ambondrona ,tamin’ity andro ity, dia maro ireo asa izay notanterahana teny an-toerana toy ny famafana, fanadiovana ny lakan-drano (20 teo ho eo ny saronan-dalina nosokafana ka ny ankamaroan’izy ireo dia tsy maintsy nosikirinaavokoa) izaynataon’nyekipateknikasy ny mpanadio ; teo ihany koa ny fandrarahana ny « désinfectant » 50 litatra , ny fanentanana ny mponina (civisme), ny « opération sans abris » na ny fanentanana ireo tsy manan-kialofana mba hihazo ireo toby izay efa voatokana ho azy ireo (tokantrano 10 teo ho eo no voaentana tamin’izany),ka nyekipan’ny DASnonisahana izany.

Tsy hadino ihany koa ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fanesorana ireo fiara miantsona eny amin’ny toerana tsy tokony hijanonana izay niandraiketan’ny Polisy Nasionaly sy Monisipaly.
Tsara homarihina fa tsy hijanona hatreo ity hetsika ity fa mbola hitohy manerana ny Boriboritany 6 eto an-dRenivohitra. Ny fanadiovana goavana toy izao no natao dia mba hitarafana eo imason’ny vahoaka fa tena mendrika amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara azy Antananarivo.

fanadiovana2 fanadiovana4
fanadiovana5

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s