« Mandry fahalemana ? », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

MANDRY FAHALEMANA…?

 

Mandry fahalemana hono ny tany
Asa aminao ve mba marina izany?
Vahoaka indray hoe no manakorontana
Rehefa tsy faly hoe dia andehana mibontsina

Mandry fahalemana hoe Gasikara
Tena nivoatra nakany amin’ny tsara?
Ialahy no efa jamba sa tsy mahatsikaritra
Fa ny tanin’ialahy aza efa tsara faritra

Mandry fahalemana e…tena mirindra
Fa iza amin’isika ireo izao no mijinja?
Mandefitra hatrany…na efa miavosa
Ry zalahy no mirevy… Ialahy no hitrosa

Mandry fahalemana izao ny mpitondra?
Ny volam-bazaha koa moa izao efa tonga
Izy mitavana…ialahy no hanefa
Ialahy no ampihirainy ny « alefa dia alefa »

Mandry fahalemana e?…tena milamina
Hodiany adino ao izay Soamahamanina
Tsy raharahany akory izay savorovorony
Angaha koa ireo taovany sa volovolony?

Mandry fahalemana e…lemana ahoana?
Ialahy ve lety dia donendrina foana?
Fa tsy hitan’ialahy ireto kely mahiratra?
Tsy afovoan-tany…tsy amoron-tsiraka

NARY
05/10/2016

mami4

mami3 mami5

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s