CUA-Antananarivo. Faravohitra. James A Robinson. Fanarenanan’Iarivo.

 –

Fikaroham-bahaolana Hafa ihany i Dada

08/10/2016

Mitohy ny asa fanatsarana an’Antananarivo renivohitra, mampiasa ny fahaizany sy ny fahalalany ary ny miantso ireo olom-pantany mba hizara traikefa amin’ny resaka fitantanana sy ny lafiny ara-toekarena Atoa Marc Ravalomanana, izay vao voatendry ho mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna ny faran’ny herinandro teo moa.

Manampahaizana

Ho tonga eto Madagasikara anio sabotsy tolakandro ny Profesora James A Robinson, manampahaizana Anglisy mampianatra any amin’ny oniversiten’i Harvard , izay avanana amin’ny resaka politika fitantanana ny raharaham-panjakana no sady mpahay toekarena ihany koa, anisan’ireo tena ikoizana maneran-tanyIZY no nanoratra ilay boky mitondra ny lohateny hoe : “Why nations fail” na hoe nahoana no mikoroso fahana ny firenena; efa nanao fikarohana tany amian firenena maro tahaka an’i Chili, Repoblika demokratikan’i kongo (RDC), Sierra Leonne, Afrika atsimo, Haiti i James Robinson ary mahalala tsara ny zava-misy aty Afrika.Anton’izao fahatongavany eto Madagasikara izao ny fanaovana atrikasa , fampanofanana sy fidinana ifotony mijery ny zava-misy marina.Hahazo tombotsoa manokana amin’izany moa Antananarivo renivohitra sy ireo mpitantan aazy.

Hihaona amin’Atoa Marc Ravalomanana sy Rtoa Lalao Ravalomanana ity vahiny ity no sady hiresaka amin’ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina.Anisan’ny hihaona manokana aminy ihany koa ireo mpitantana ny antoko Tiako I Madagasikara; hisy mazava ho azy ny tafa hataony amin’ny mpanao gazety ny alatsinainy atoandro eny Faravohitra, raha ny fandaharam-potoana; hihaona sy hidinika amin’ny  talen’ny USAID ihany koa ny Pr James A Robinson ary hanana fotoana manokana hiresahana amin’ireo nandrato fianarana tany amin’ny oniversiten’i Harvard.Hitsidina an’Andasibe, Toamasina ary Foulpointe ihany koa ity manampahaizana ity.

Asa

Tsy tongatonga ho  azy izao fitsidihan’i James A Robinson izao fa noho ny ezaka manokana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay miezaka arak’izay tratry ny heriny hikaroka ny mahasoa an’Antananarivo sy an’i Madagasikara iray manontolo mihitsy aza.Hafa ihany i Dada tsy mandrimandry manana aretina tahaka ny mpitondra fa manao ny ainy tsy ho zavatra hanasoavana hatrany ny miara-belona aminy; tsy resaka tora-po na fanapahan-kevitra maimaika baikon’ny fitiavan-tena sy voninahitra fa efa lamina maty paika manaraka vina mazava tsara hahazoan’ny rehetra tombotsoa.

Tsy vitan’ny kabary tsara lahatra ny fanarenana ny tanàna sy ny firenena fa mila fahaizana , fahalalana ary asa mivaingana miainga amin’ny alalan’ny vina sy tetikasa.

RTT. G.TiaTanindrazana

Mandray ny vahiny James R Robinson eto Faravohitra ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana

Arp Helisoa

 Niaraka nanangantsaina tamin’ny mpitanana ny tananan’Antananarivo ny vahiny James R Robinson manampahaizana manokana erantany mikasika ny fitantanana. efa nitety faritra maro namaha ny olana tamin’ireo tanandehibe www.gvalosoa.com
robinson-3 robinson-2
robinson-4 robinson-5
Arp Helisoa 
Nisy ny dinika nataon’ny vahiny ny profesora James R Robinson tamin’ireo mpiasan’ny CUA , nisy ny fanotaniana nanitikitika ireto farany no novaliany tamin’izany
james1 james5
james2 james4

Rehefa vita ny dinika niarahana tamin’ireo mpiasan’ny CUA rehetra dia ireo tompon’andraikitra ny fitantanana ny tanana indray no nifampidinika tamin’ny profesora James R Robinson.

james6 james8

james9 james7

 

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s