CUA-Antananarivo. « Fihaonan’Andriamatoa James Robinson tamin’ny mpiasa ny kaominina ».

FIHAONAN’ANDRIAMATOA JAMES ROBINSON TAMIN’NY MPIASA NY KAOMININA.

Tonga nihaona sy nifampiresaka tamin’ny mpiasan’ny kaominina rehetra I Andriamatoa James ROBINSON androany maraina . Hifampizara traikefa amin’ny mpiasa izy ho fampandrosoana haingana ny Tanànan’Antananarivo .
Marihana fa manampahaizana manokana mikasika ny ara-toekarena sy ny fitantanana avy any Angletera ny tenany ary mpampianatra amin’ny oniverisite maro an’ny ivelany . Maro ireo firenena efa nahita tombontsoa avy aminy amin’ny fampandrosoana ny Tanàna toy ny tany Lagos Nigeria, Botswana, Repoblika Demokratikan’I Congo sy Colombie. Miara miasa akaiky amin’ny FMI n any tahirim-bola iraisam-pirenena koa ny tenany …
Nisy ny fifanankalozan-kevitra teo aminy sy ny mpiasa .Voaresaka manokana ny mikasika fampidirana ny hetra sy ny tsy fandriam-pahalemana. Noresahana manokana ihany koa ny momba ireo tamberin’andraikitra tokony hataon’ny kaominina ahazoan’ny vahoaka mandray andraikitra amin’ny fandoavan-ketra. Teo koa ny serasera izay tokony hisy ny haino manjery ato amin’ny kaominina Antananarivo satria ireo no singa ho entina hitaizana ny vahoaka ;mba hampandroso haingana ny tanàna .Noresahina ihany koa ny olana eo amin’ny mpivarotra satria rehefa mametraka fandaminana ny kaominina dia misy foana ny sakana. Eo koa ny fangatahana fanofanana ho an’ireo mpiasa rehetra mba ho tonga eo amin’ny sehatry ny matihanina.


Nanambaran’Atoa JAMES ROBINSON ihany koa fa tokony tsy hisy ny fiavahana eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpitantana ny Tanànan’Antananarivo satria ny renivohitra no tena fitaratra amin’ny fampandrosoana ny Tanàna.
Eo ihany koa ny resaka sosialy ho Jerena manokana ny olana mikasika ny 4 mi miparitaka. Ho resahany manokana amin’ny manampahaizana momba ny ny resaka sosialy avy any CHICAGO io lafiny sosialy io.
Amin’ity herinandro ity dia mbola mitohy an’ny Toamasina ny fitsidihany.  
CUA serasera

Sary.  CUA serasera

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s