CUA-Antananarivo. Mitohy ny asa fanadiovana. 10/10/2016. Boriborin-tany faha efatra. Soanierana

 ravalo-cua6

Boriborin-tany faha 4

Nanomboka ny Alatsinainy faha 10 Oktobra 2016 ny « opération coup de balai » eto anivon’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ka ny faritra Soanierana ao anatin’ny Boriboritany faha-4 , nanomboka teo amin’ny chocolaterie Robert ka hatreny amin’ny Gastro pizza no nanatanterahana izany. Haharitra 15 andro ny hetsika ary hifarimbona amin’izany avokoa ireo « équipe d’intervention » izay vao natsangana miisa 70 mizara ho sokajy 4 izay ahitana : ballayeurs, égoutiers, ekipan’ny Direction des Affaires Sociales (DAS), mpiasan’ny tsena, Polisy Monisipaly. Amin’ny maha hetsika goavana ity hetsika ity dia maro ireo fitaovana izay nentina hanatanterahana ny asa toy ny : fiara be izay natao fitaterana ireo fitaovana fanadiovana (kifafa, borety,…), ireo mpiasa ary ny « produits de curage », eo ihany koa ireo « camion citerne » mpitatitra rano.


Maro ny asa izay notontosaina teny an-toerana toy ny : fanadiovana sy fanalàna fako ary ny fotaka izay manentsina ny lakan-drano, fanamboarana ireo « canal » izay nahitana fahasimbana, famafana sy fanalàna ireo bozabozaka sy fakofako teny amin’ny sisin- dalana, fandaminana ny fifamoivoizana, fanentanana ireo mpivarotra sy ny mpandeha tongotra mba hanaja ny fahadiovana.


Tanjona mandritra izao hetsika izao ny hoe : « Antananarivo madio », ary fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam- pahavaratra. Tsy hijanona eo amin’ny Boriboritany faha-4 ihany ny hetsika fa hitohy hanerana ny Boriboritany 6 eto Antananarivo Renivohitra.

CUA serasera

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s