« Manao mpitari-bato vilambava hatrany ny Hery Rajaonarimampianina ». G. Valosoa.

Manao mpitari-bato vilambava hatrany ny Hery Rajaonarimampianina

Ambetin-dresaky ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina  any amin’ny tany izay lalovany ny filazàny  isak’izay  mikabary ny tokony hanajain’ny olom-pirenena ny safidin’ny  vahoaka   tamin’ny fifidianana  nataon’izy ireo . Tsy anavahana loko politika hoy izy  ny  fampandrosoana ny firenena fa na iza na iza dia mitovy avokoa  ny fanampian’ny fanjakàna azy ireo.  Raha izany tokoa no tena marina  fa tsy kabary ambony vavahady toy ny ataon’ny  mpitondra  HVM  amin’izao dia ataon’ny rehetra  fa  handeha tokoa   ny  fampandrosoana eny ifotony  ny firenena  .  Ny hita  mantsy dia ny mpitondra mihintsy no  manao izay  haminganana  ireo olom-boafidy heveriny  fa  fahavalo politika mety hisongona  azy ireo.  Eto Antananarivo Renivohitra  izao tato ho ato   dia   kianin’ny mpitondra amin’ny alalan’ireo onjam-peo   mivoy  azy hatrany  ny ben’ny tanàna  voafidim-bahoaka  teto Antananarivo Renivohitra,  Lalao Ravalomanana .

Ao anatin’izany ny asa fanadiovana  ny Tanàna  sy  fanesorana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna ,   teo ny  tsy faneken’ny fitondràna foibe  ny fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina eto Antananarivo renivohitra tamin’ny    naneken’ireto farany ny ampindraman’ny  TIKO ny tany  eny Andohatapenaka  asiana  ireo fiara  maty eny andalana  mba  hisorohana ny  fitohanan’ny fifamoivoizana .

Misy ny milaza fa ataon’ny fitondràna mihintsy  ny hampisy olana eto Iarivo , amin’izay mora ho azy  ny  hametraka  PDS hisolo  ny ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana  voafidim-bahoaka.  Mazava ny tenin’ny filoha tany Ambilobe  , hajao hoy izy ny safidin’ny olona, efa nifidy  filohampirenena izy ka  aleo hiandry ny   2018  ny rehetra   fa any  indray ny vahoaka vao haneho ny safidiny.  Tsy ho an’ny filohampirenena  irery ihany no iantefàn’izany hafatra izany ,  noho izany  tsy tokony  hanao mpitari-bato  vilam-bava  ny mpitondra, ka   hafa ny lazain’ny vava hafa ny  ataon’ny tanana. Samy voafidim-bahoka  na  ny filohampirenena, na ben’ny Tanàna   ka  tsy tokony hisy tombo sy hala.

Helisoa

Flag Tana 26 JUIN

Hery Rajao a1

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s