« Ny Fitiavana no lehibe indrindra ! », ny kobay an-kelika ihany. M. Ravalomanana.

faravohitra-13-septembre-2

Tahotra an’i Dadavalo Manomboka ny fanosoram-potaka

 

11/10/2016

Manoloana ny hetsika ataon’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana etsy sy eroa, amin’ny fihezahany manatona akaiky ny vahoaka malagasy manerana izay toerana handalovany ka hitsidiany manokana azy ireny dia tsapa fa manomboka misy indray ireo sokajin’olona iniana hampidirina hiteny amin’ireo onjam-peo tsy miankina sasantsany eto an-drenivohitra ankehitriny, toy ity « Consultant » nivahiny nivantana tao amin’ny iray tamin’ireo onjam-peo ireo omaly alatsinainy 10 oktobra 2016. Raha tsorina dia nolazainy fa mpamakafaka ny raharaham-pirenena tsy miandany na amin’iza na amin’iza  izy.

Rehefa nandeha anefa ny resaka dia niharihary fa anisan’ireo manohana an-jambany an’izao fitondrana izao ranama ary asaina manosom-potaka indray an’i Marc Ravalomanana toy ny natao tamin’ny 2009.

Tsapa fa anisan’ireo tsy maty voalavo an-kibo amin’ny fanaovana halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao an’i Dada ity olona ity ary tena anisan’ireo tsy nahatanty ny fivoarana nentiny teo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara tamin’ny fotoanandrony. Toa efa asaina mivoy sahady indray ny resaka « Ni…Ni… » tsy hahazoan’ireo mety ho kandidà avo lenta toa an’i Dada sy ny hafa hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena manaraka eo.

Ntsoavina Evariste. G TiaTanindrazana

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s