CUA-Antananarivo. 12/10/2016. Mitohy ny asa, Ampangabe Anosipatrana. James A. Robinson.

CUA serasera

Ny Boriboritany faha-4, ny famatsian-drano eny Ampangabe Anosipatrana ary ny Fokotany III G Hangar no notsidihan’ny Profesora James Robinson mivady ny talata 12 Oktobra maraina.


Tetsy amin’ny boriborintany faha-4 dia nojereny manokana ny momba ny fampidiram-bola avy amin’ny fanaovan-draharaha. Hita tamin’izany fa kely ny fidiram-bola. Nampahafantarina azy koa fa ny vola rehetra miditra amin’ny boriborintany dia arotsaka ao amin’ny banky foiben’i Madagasikara, ary rehefa avy eo vao ampiasain’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra. Tao amin’ny hefitra fandoavam-bola dia tsapa fa tsy ampy ny hazavàna, ary efa tranainy dia tranainy koa ny fitaovana ampiasaina. Fantatra koa fa tsy maharaka ny rosia ampiasaina ka mety hiteraka hirika mahavery ny vola miditra amin’ny boriborintany izany.


Teny Ampangabe Anosipatrana dia nanadihady ny famatsian-drano ny mponina ny Profesora James Rabinson. Fikambanana Mahavonjy no mitantana izany ary ny mpiray tamban-jotra no misafidy izay olona mitantana azy. Mponina avy amin’ny fokontany 4 manodidina no vatsian’ny fikambanana rano. Amin’ny ankapobeny 4 ka hatramin’ny 8 daba isan’andro no ilain’nyfianakaviana iray . 50 ariary no vidin’ny daba iray ary mampimenomenona ny mpanjifa izany satria heverin’ireo fa lafo loatra. Mahatratra 2 hetsy mahery isam-bolana no vidin’ny rano alohan’ny fikmbanana amin’ny orinasa JIRAMA, ary mbola tataovana 20 isan-jato izany ho an’ny TVA. 6 alina ariary isam-bolana kosa nokaraman’ny mpiandry ny rano sy ny mpizara ranoka ny fikambanana no mandray an-tanana izany. Misy ny dina eo amin’ny samy mpikambana, saingy matetika dia alamina amin’ny fihavanana aloha izany vao miditra amin’ny ambaratonga hafa rehefa tsy ahitàna vaha-olana.


Tao amin’ny fokontany III G Hangar dia nijery ny lakan-drano ny vahiny. Faritra iva anisan’ny be mponina io fokontany io. Mahatratra 3 alina isaka ny hekitara ny isan’ny mponina. Maloto ary tsy ahitàna famoahan-drano araka ny tokony ho izy ny fokontany III G Hangar. Tsy misy ny mpikarama mamafa lalana sy ny manangona ny fako raha nanazava ny lehiben’ny fokontany, saingy an-tsitra-po no hanaovana izany. Marefo ihany koa ny lafiny famatsian-drano, ny fahasalamana, ary ny fahadiovana. Manamorona ny lakan-drano Andriantany ny sekoly ambaratonga voalohany. Fantatra fa efitrano 5 no ao ho an’ny mpianatra an’arivony. Tsy ara-pahasalamana ireo efitrano ireo. Mifandimby mianatra nympianatra ka 70 no zakan’ny efitrano iray. Mbola misy ankizy 2000 hafa anefa tsy tafiditra an-dakilasy nohony tsy fahampian’ny ray aman-dreny.

Namaranana ny marain’ny talata dia fihaonana tamin’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM.
Nazava ny resaka, ilay ny hanafohanana kolikoly amin’ny endriny rehetra, satria tsy mahatoky intsony ny tamberin’adidy tandrify ny kaominina ny vahoaka. Be loatra ny kolikoly hany ka tsy mahavita manao asa ho amin’ny tombontsoa iombonana ny kaominina. Saika eo amin’ny sehatra maro ao amin’ny kominina sy ny rantsa-mangaikany no ahitàna soritra io kolikoly io. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina, ary ho entitra dia hentitra ny fanaraha-maso. Hihatra tsy ho ela rahateo eo anivon’ny kaominina ny paik’ady fanaraha-maso izay rehetra mahakasika ny fidiram-bola sy ny famoahana izany.


Antananarivo no Renivohitr’i Madagasikara koa ilaina ny fisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanana mba tsy hisian’ny kolikoly, ary tezaina ho amin’izany koa ny mponina sy ny vahoaka.


Fehiny manao ny fitantanana mangarahara ary misy tombontsoan’ny besinimaro ny kaominina Antananarivo-Renivohitra tarihan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Sary CUA-Antananarivo.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s