« Tompon-daka amin’ny faharetana sy fiafina ve RaMalagasy » Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Tompon-daka amin’ny faharetana sy fiafina ve RaMalagasy ?

 

-Delestazy adin’ny 5 isan’andro, tsy taitra RaMalagasy fa miharitra
-Miakatra ny saran-dalan’ny Taxibe, tsy taitra RaMalagasy fa miharitra
-ny vidin’ny Jiro sy Rano miakatra, tsy taitra RaMalagasy fa miharitra
-Ny vidim-piainana misondrotra isan-kerinandro, tsy taitra RaMalagasy fa miharitra
-Ny tanindrazana tapitra lasan’ny vahiny, tsy taitra Ramalagasy fa miharitra
-Ny harem-pirenena tapitra mihondrana antsokosoko any ivelany, tsy taitra RaMalagasy fa miharitra
-Ny mpitondra sy ny olom-boafidy manitsakitsaka lalàna, tsy taitra RaMalagasy fa miharitra,
– Manao izay danin’ny kibony ny mpitondra, manararaotra fahefana, tsy taitra RaMalagasy fa miaritra,
Sy ireo sisa tsy ho voatanisa eto……..

Fehiny: Tompon-daka eran-tany amin’ny faharetana sy fiafina ny Malagasy. Raha any amin’ny firenen-kafa, delestazy adin’ny 2 isan-andro fotsiny dia efa miongana ny mpitondra satria tsy mahavita azy. Vidi-mofo iray no miakatra dia efa mitrotra ny vahoaka, …

Hafatra ho an’ny vahoaka any amin’ny firenena hafa: aza mba alaina tahaka RaMalagasy fa i RaMalagasy efa nobeazina tamin’ny hoe “Izay maharitra vadin’Andriana, izay tsy maharitra vadin’i Kotokely” na “Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany”, “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, “vero taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra”, “Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian’ny soa”…

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s