Toamasina. 13,14/10/2016. Marc Ravalomanana sy ny Antoko TIM. Map 2.

mahefalahy2 mahefalahy11
13/10.2016.
EFA TONGA :
Efa nigadona eto Toamasina t@ 4 ora latsaka hariva ny Filoha RAVALOMANANA , nitsena azy t@ izany ny sénateur Randriantsalama Jacquis , ny REGTIM Rasamimakahefalahy sy Mme Blandine ary ny DISTIM Malalaniaina , faly mandray azy isika no miarahaba azy . Mbola hoentina amintsika ny vaovao fanampiny sy ny sary. ‎Mamonjy Ny Rina 

 14/10/2016.

Mandroso Randria

 RAVALOMANANA – Fitsidihana Toamasina 14 oktobra 2016

Mihaona amin’ireo mpikambana TIM Toamasina ao amin’ny Foibe-toerana MBS (Anjòma) any antoerana amin’izao ora izao ny Filohan’ny Antoko TIM, miaraka amin’ny vahiny Pr James Robinson.

Marihina fa mandeha soasoa ny Télé MBS (163.25 MHz) sy ny Radio MBS (95.4 MHz) any Toamasina.

Arp Helisoa
Toamasina. mifampidinika tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ireo mpitarika ny TIM ao antoerana

Mamonjy Ny Rina 

MISAOTRA NY FILOHA RAVALOMANANA TOAMASINA : Vita soa amantsara ny conférence débat natao tao @ Tiko Bazary Be (MBS Anjoma) izay noentin’ny Filoha RAVALOMANANA sy ny profesora James ROBINSON ary nandinihana ny lohahevitra  » ny demokrasia , ny fandrosoana ara-toekarena sy politika ». Nanatrika ny fotoana ireo mpikatroka TIM sy ny mpandraraha maro , ny TMMR ary ireo karazana sokajin’olona maro . Misaotra azy ireo i Toamasina fa afapo tanteraka .

Sary,

Mahefalahy Rasamimaka.

mahefalahy2 mahefalahy8

mahefalahy10 mahefalahy9

mahefalahy7 mahefalahy16

mahefalahy17 mahefalahy20

mahefalahy19 mahefalahy18

mahefalahy12 mahefalahy14

mahefalahy15 mahefalahy5

 

Dada tany Toamasina “Sahy ary hijoro isika”

14/10/2016

Mbola tena mamy hoditra amin’ny Malagasy n’aiza n’aiza faritra alehany i Marc Ravalomanana, azo hanaporofoana an’izany ny fihaonana mivantana tamin’ireo mponina tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny tahaka ny tao Beforona,

Antsampanana, Brickaville ka hatrany Toamasina.Tsy nisalasala niresaka sy nilaza izay marary azy tamin’ity filoha teo aloha ity ny olona ary mbola manantena ihany koa fa hitondra vahaolana ho an’ny firenena izy.

MAP 2

Tany Toamasina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara tao amin’ny Anjara Hotel no nanambaran’i Marc Ravalomanana omaly hariva fa mila antoko tena matanjaka i Madagasikara hitantana sy hampandroso azy ; eo am-pamolavolana ny Madagasikara Am-Perinasa faha-2 (MAP 2) isika ankehitriny hoy izy.

Fandaharanasa ho entina amin’ny 2018 izy io ary izay no anton’ny fitsidiham-paritra nataony ary mbola tohizany hatramin’izao, hanadihadiana ny zava-misy marina, ny filan’ny malagasy isam-paritra sy ny hetahetany.Kandida filoham-pirenena aho amin’ny 2018 aho, hoy i Marc Ravalomanana satria mila tohiazana ny asa fampandrosoana efa natomboka tamin’ny naha filoha azy (2002-2009).Niara-dia taminy tany an-toerana hatrany moa ny profesora James Robinson nitondra ny traikefany tamin’ireo mpikambana TIM amin’ny resaka fitantanana .Nampatsiahivin’i Dada omaly tany Toamasina fa efa nahatratra 7,9% ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena teto Madagasikara tamin’ny 2009 ary 12,7% ny tahan’ny fampidiran-ketra saingy nopotehana noho ny fanonganam-panjakna izany.

Tanjona mbola tsy tratran’i Madagasikara ireo fito taona aty aoriana. Mila antoko matanjaka manana vina sy fandaharanasa ary atokisan’ny mpamatsy vola isika , hoy i Marc Ravalomanana, mila mijoro ary mila sahy.Tsy maintsy hajaina ny lalàna sy ny zon’olombelona ary mila milaza ny marina izay mitondra ny firenena, hoy hatrany izy.

RTT. TiaTanindrazana.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s