Asa-CUA. Andohalo. Fanatsarana ny Kianja. Lalao Ravalomanana.

PH. Mcm.

CUA serasera

TETIKASA FANATSARANA NY ZARIDAINAN’ANDOHALO (Projet de requalification environnementale). Hiarahan’ny fikambanana ECO TANANA sy ny CUA izay tompon-kevitra ary ny fikambanana TANY MEVA kosa no mpamatsy vola hanantanterahina izany.

Mizara telo ny asa izay ho atao : Voalohany dia ny fanatsarana ny toeram-pisakafoanana sy ny toerana misy ireo asa tànana vita malagasy (village artisanal). Faharoa dia ny fanavaozana ireo toerana fialan-tsasatra (éspace de détente), izay natao hipetrapetrahana, fakàna sary, fiarahanny mpifankatia sns… Ary fahatelo dia ny fanatsarana ny toerana fanaovana fanatanjahantena, ho asiana terrain de pétanque ary atao kianja artifisialy (synthéthique) ny kianja fanaovam-baolina.

Hisy ihany koa ny fanangana foto-drafitr’asa ho an’ireo mpampiasa vola (opérateur économique) : Eco tanàna, groupement d’intérêt économique Madacraft,… Ho ampiana ny zava-maitso misy eny amin’ny zaridainan’ Andohalo. Ho asiana zaridaina manome lanja an’ireo zava-boary tena malagasy, izay ho atao jardin vitrine sy patrimoine vegetale (arbus, arbre, plante medicinale…).

Ho asiana lalankely manelanelana ireo jardin vitrine ireo, izay ho ataon’ny fikambanana Miharisoa. Ho ampitaina sy ho ampianarana ireo mpitsidika ny fomba fampiasàna sy ny tombontsoa ho entin’ireo zava-boary tena Malagasy ireo. Ary farany dia ho hatsaraina ny lakana fivoahan’ny rano. Ho asiana fefy miaro amin’ny riaka ho entin’ny oram-be mikija. Maharitra 3 volana ny faharetan’ny tetikasa izay vinavinaina ho vita amin’ny volàna Janoary 2017.

andohalo1

 

Ph. CUA serasera.

.

Toeram-pianarana Andohalo (Galliéni/Condorcet). Sary.

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s