« Inona indray e ? » Mamitiana Randrianarison.

INONA INDRAY E?

 

Inona sisa no mbola hijanonana?
Tsy aleo ve mba mody manova fironana
Sao diso ambo fa mihevitra ho avo
Mihinan-tsy voky…manoatra voalavo

Inona mihitsy no tena hifikirana?
Miandry ny dona sy izay fifandirana?
Io raha mitohy tsy renesinareo
Mety hanenenana indray avy eo

Inona indray izao ny lainga manaraka?
Hoe isika izao firenena fitaratra?
Tena mandroso…sy mandray vahiny
F’ilay mba an’ny gasy hono mety rahoviana?

Inona foana e…? Izahay anie miandrandra
Ilay tokinareo efa toa lany manja
Kobaka am-bava…be tatasiaka
Andro tsy ampoizina izahay mety haditra

Fa inona indray ireto fihetsiketsehana?
Toa vata vy… efa ela nietsehana
Aranty daholo hojinerim-pandalo?
Nefa tsy resiny hatreto ny dahalo

Inona sisa no mbola antenaina?
Tojo anao tonga ho azy tsy hitondra maraina
Ianao tena ts’izy e… f’aleo mihitsy tsorina
Ny tsara sy mety aminao dia esorina e

NARY, Mamitiana Randrianarison.
21/10/2016

randria3

randria2

randria1 randria5

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s