« Ireo vahoaka ireo ve? » Mamitiana Randrianarison.

IREO VAHOAKA IREO VE?

Ireo vahoaka ireo ve?
Ilaina ireo hangina
Tsy avela ny hanakihana
Na hiteniteny akory
Ary ilaina ireo hatory

Ireo vahoaka ireo ve?
Tsy ilaina dia mahay
Na hiady izay anay
Fa…ilaina ireo badoina
Raha azo atao mamoina

Ireo vahoaka ireo ve?
Ilaina zatra hataka
Tsy hahita firy harapaka
Saozanina tsy hiarina
Hanafenana ny marina

Ireo vahoaka ireo ve?
Ilaina mino fahagagana
Hahay hiaina fahantrana
Hanantena paradisa
Ary hiononona amy sisa

Ireo vahoaka ireo ve?
Ilaina gihazana ho finefy
Ilaina hanaraka ny tefy
Izay drinafitra ho fisainany
Hanekeny izay hiainany

Ireo vahoaka ireo ve?
Mody omeo ny fahalalahana
Zarozaro baranahana
K’izay mikendry fandrosoana
Ho mora halavontsika foana

NARY
04/11/2016

vahaoka-ireo1
vahoaka-ireo2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s