Marc Ravalomanana. Kolejy Teolojika Fjkm-Ivato.

Marc Ravalomanana Mahita vahaolana hatrany

09/11/2016

Olon’ny teny omeny ary tsy mba mivadika amin’ny zavatra nambarany fa ataony i Marc Ravalomanana.

Nandritra ny synoda lehibe faha-16 an’ny Fjkm notanterahana tany Antsirabe ny tapaky ny volana aogositra dia nanome toky ny mpino Fjkm izy fa hanao izay faraheriny amin’ny fanampiana sy fanasoavana ny Fiangonana ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin’ny Kolejy Teolojika eny Ivato.

Tanteraka izany ankehitriny. Omaly no napetraka tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato ny vato fehizoro hanatanterahana ny asa fanorenana. Mazava ny resaka eto fa manatanteraka hatrany ny teny nomeny na eo anivon’ny fiarahamonina na eo ain’ny Fiangonana, indrindra moa fa eo amin’ny firenena i Marc Ravalomanana. Ankoatra ilay hoe : « Aza matahotra, minoa fotsin ihany » dia fomba fiteny nahafantarana azy ihany koa ho an’ireo izay niara-niasa akaiky taminy ny hoe : « rehefa misy ny olana, dia tsy maintsy misy foana ny vahaolana ».

Kinga amin’ny fikaroham-bahaolana, ny fametrahana paikady hanatanterahana ny asa ary ny fitadiavana ny loharanom-bola hahavitana izany i Dadavalo. Samy manaiky an’io ny rehetra ary mbola noporofoiny izany amin’ity asa fanorenana eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato ity satria manodidina ny 7 tapitrisa dolara ny tetibola hanatanterahana ny asa ao anatin’ny 22 volana, ary efa milamina ny zava-drehetra momba azy io.

Mbola goavana kokoa noho izany ny vahaolana hanavotana nyfirenena efa voarakitra an-tsoratra ananan’i Marc Ravalomanana ary ahitany loharanom-bola avy hatrany. Tanjona ny hanasoavana ny firenena sy hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy, hoy izy.

RTT. TiaTanindrazana

Fametrahana ny vato fehizoron’ny tsangambaton’ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM teny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato ny faha 08 novambra 2016.
« Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony…. » Asa10.39

Nametraka ny fahatokisanareo tamiko ianareo tamin’ny Synoda Lehibe ary nifidy ahy ho Filoha Nationalin’ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM, Ho Voninahitr’ Andriamanitra ny asa sy ny zavatra rehetra izay atao, fitaovana fotsiny ihany izahay ato amin’ny komitin’ny Jobily. Matoky aho, mino isika fa ho tontosa soamantsara ny fikasana tsara rehetra izay misy ao anatitsika ary indrindra ny ao amin’ny Fiangonana.

Lehibe ny asa, tsy maintsy ho vita ary atao anatiny mangaraharaha tanteraka ny fitantanana ny zavatra rehetra ao anatiny.
Misy koa ny Fiangonana Presbyterian Church izay manampy ara-teknika sy ara-pitaovana ao anatin’ny asa rehetra izay atao.

H E Marc Ravalomanana

 

Arp Helisoa,  H E Marc Ravalomanana

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s