CUA-Antananarivo. 9/11/2016. Mitohy ny fanadiovana. Boriborin-tany faha telo. Antanimena, Ankaditapaka…

 

 

FANADIOVANA BORIBORIN-TANY FAHATELO :

Nanomboka tamin’ny fito ora maraina ny avy eo amin’ny boriboritany fahatelo dia nikarakara asa fanadiovana izay notarihin’ny lefitry ny lehiben’ny boriboritany.
« Agents d’assainissement » miisa 36 lahy miapy sy ekipan’ny RF2 avy ao amin’ny fokontany Antanimena, Ankadipataka ary Behoririka 32 mianadahy no niara-niasa tamin’izany. Nifanrimbona avokoa ireo mpamafa lalana sy mpanadio nanodidina ny lakan-dranon’ny Behoririka. Toerana hiangonan’ny loto tokoa. Natao tamin’izany ny fanalana ireo maloto amin’ny sisin-dalana, fanadiovana ny arabe ary fanesorana ireo fiara sy moto mipatrapetraka eny. Misy ny manorina toerana fanamboarana ireny amin’iny faritra iny kanefa tsy manara-dalana.


Nihazo an’Ambodivona, teo akaikin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ny ekipa avy eo. Ahitana ny fiantsonan’ny fiara tsy manara-dalàna na « parking sauvage ». Eo ihany koa ireo manasa fiara eo ambonin’ny toerana tsy azo ipetrahana (îlot). Tamin’ity fidinana voalohany ity dia nampitandrina izy ireo mba tsy hiantsona sy hanohy ny asany eo amin’io toerana io. Nanentana koa ny avy eto amin’ny Kaominina; ny tokony hanajan’izy ireo hatrany ny fanadiovana sy fandaminana satria miteraka fahatsetseman’ny lakan-drano ireo loto izay tsy ataon’izy ireo anaty fanariam-pako.
Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpampiasa ny lalana sy ny RF2 teny Ankorondrano, nanadio ny sisin-dalana teny Ambodivona sy nanadio ny lakandrano.
Zava-dehibe ny fiaraha-miasa toy izao satria efa miditra tanteraka anaty fotoam-pahavaratra isika izao, ary tokony hisoroka sahady ny fiakaran’ny rano amin’ny nalalan’ny nfiaraha-mandray andraikitra ny rehetra.

CUA serasera

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s