CUA-Antananarivo. 8/11/2016. Mitohy ny fanadiovana, boriborin-tany voalohany Andranomanalina.

NITOHY TETY ANDRANOMANALINA NY FANADIOVANA FAOBE

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ataon’ny mpiasan’ny CUA eto amin’ny boriborin-tany voalohany indrindra fa ireo eny amin’ny faritra iva, fanadiovana izay natao manokana mba hisorohana ny fiakaran’ny rano maloto eny amin’ireo lalan-kely fandehanan’ny mponina andavanandro. Ny fokontany andranomanalina no nanohizan izany fanadiovana izany rehefa avy nanatanteraka ny asa fanadiovana teny amin’ny faritra Ambodin’Isotry sy 67Ha iny, hita ho mijaly tokoa ireo mponina eny izay tena miara-miaina amin’ny fahalovana ka adidin’ny CUA ny mamaha ny olana mianjady amin’izy ireo ary tsy hiandrasana fanjakana izany na sampandraharaha hafa fa tonga dia tanterahana ny baiko nomen’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’ny fanamaivanana ny andavanandron’ny mponina izay efa mikaikaika tokoa noho ireo rano maloto miparitaka etsy sy eroa.

Tsara ihany anefa ny manamarika fa tokony samy ho tomponandraikitra isika rehetra amin’ny fahatsentsenan’ireo tatatra isaky ny fokontany ary mba samy handray anjara birikiny amin’ny fikojakojana sy fanadiovana ny manodidina antsika isanandro fa tsy hianteherana olonkafa lava izao, koa aoka mba samy ahatsiaro tena satria « REHEFA TSY MANDOTO DIA EFA MANADIO ».

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s