« Izay ialahy izay… » Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

IZAY IALAHY IZAY…

 

Izay ialahy izay…?
Dimy taona foana no hanefain’ialahy ny ditra izay natao
Izao ialahy sinazy mitehaka ny ataon’ny hery vaovao
Ny tany izao naserany sy lafo moramora mbamin’ny volamenany
Ny zanaka aman-jafy…noho ny fahantrana, nisera koa ny tenany

Izay ialahy izay?
Tsy haharitra ny hiaritra izay misy mantsy fa foana ialahy hanova
Dia isan’andro vaky ialahy milatsaka tsikely noho ny ataon’ny foza
F’ialahy no amporisihany hampety ny kajiny izay efa maty paika
Ireo dia tsy ho menatra na dobo feno ra no andehanany hisaika

Izao ialahy izao…
Tsy afaka hikofoka hiteny izay tsy rariny…hanitsahany an’ialahy
Potehiny,somparany ireo rehetra izay niady ka vitsy sisa sahy
Izy izao misera e…manondrana malalaka tsy misy fandraràna
Hataony izay hataony…libainy mihitsy koa fa azy ny lalàna

Izay ialahy izay…
Noho ny varo-moran’ny safidian’ialahy izao no hefaina miaraka
Izy tonga mora…ialahy no efa adala namela azy malalaka
Izao ho faran’ny kofona ny eto Gasikara fa te ho zanatany
Tena miasa hono ka milamila tehaka amy Lafarantsa hatrany

Izay ialahy izay….
Raha mijery ialahy mandinika ny misy dia tena valaketraka
Zalahy ao ihany koa dia tsy dia mahay afa-tsy mihetraketraka
Ny hahitan’ialahy fa mbola ao lerony…dia ny firidaridany
Fa raha ny an’ny vahoaka sy anjara fari-piainany dia tsapa ny fiibany

NARY (Mamitiana Randrianarison).
08/11/2016

izay1

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s