Amparafaravola-Alaotra. 13/11/2016. Marc Ravalomanana, synodam-paritany.

Arp Helisoa

13/11/2016.

Synodamparitany Alaotra Chrome feno 20taona. Nanatrika ny fankalazana ny tsingerintaona tany Amparafaravola ny filoha nasionalin’ny fankalazana ny jobily faha 50 taona ny FJKM Marc Ravalomanana.

H E Marc Ravalomanana

Fanompoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 20 taonan’ny SP Alaotra Chrome. Natao teto @ FJKM Amparafaravola. Anio Alahady 13 novambra 2016.
Fanentanana sy fahafampatarana ihany koa ny vahoakan’Andriamanitra ny maha zava-dehibe ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny FJKM sy ny tsangambato izay atao amin’izany fankalazana izany dia ny fanavaozana ny Kolejy Teolojika eny Ivato, afahan’ny FJKM mamoaka Mpitandrina 100 isantaona farafahakeliny.

amparafaravola5

amparafaravola1
Arp Helisoa
 Amparafaravola. ny filoha Maarc Ravalomanana nanatrika ny faha 20 taonan’ny synodam-paritany Alaotra

Marc Ravalomanana Mihetsiketsika any Alaotra Mangoro

14/11/2016

Nitohy tany Alaotra Mangoro ny fanetsehana ny mpikambana sy fanavaozana ny biraom-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara, taorian’ny kongresy nasionaly tamin’ny mey 2015, ka nandraisan’Atoa Marc Ravalomanana ny fitantanana ny antoko.

Tany Amparafaravola izy omaly nametraka ny filohan’ny mpitantana ny Tiako i Madagasikara ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro mifehy ny Distrika efatra, dia Ambatondrazaka, Amparafaravola, Andilamena ary Moramanga. Ramanotronarison Charles Emile no lany tamin’izany, hiasa sy handray andraikitra avy hatrany amin’ny fanetsehana ny mpikambana ifotony, hiatrika ny fifidianana isan’ambaratonga indrindra ny fifidianana filoham-pirenena ho avy.

Nanatrika ny faha-20 taonan’ny Synodam-paritany Alaotra Chrome ihany koa Atoa Marc Ravalomanana nandritra ity diany tany Amparafaravola omaly ity, nanentana ny mpino Fjkm ny tenany fa zava-dehibe ny tsangam-bato hanamarihana ny faha-50 taonan’ny Fjkm dia ny fananganana fotodrafitrasa maoderna eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato, asa vitaina ato anatin’ny 22 volana. Izy moa, tsiahivina ihany, no filohan’ny komity jobily faha-50 taonan’ny FJKM.

Tsy adinon’i Dada ny nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo olona sendra azy teny an-dalana teny, tahaka ny tao Andaingo Gara ohatra. Na tsy nisy aza ny fiomanana sy fampilazana mialoha dia vory marobe tampoka ny olona vantany vao nandre fa mandalo ao an-tanàna Ravalomanana. Na ireo ankizy aza dia efa mahay tsianjery io anarana io ary samy te hahita sy handray tanana an’i Dada. Ireo olon-dehibe moa dia afaka niresaka kely sy nifanakalo hevitra taminy ary samy nahatsapa fa tena mbola hafa ihany i Dada, mora mifandray sy mifankahazo amin’ny vahoaka.

Jean D. TiaTanindrazana.

amparafaravola4

Nihaona tamin’ny antoko TIM sy ireo mpiara-dia aminy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, tany Amparafaravola androany tolakandro teo, ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalmanana. Tamin’izany no nametrahana ny filohan’ny Reg-TIM Alaotra Mangoro, Ramanotronarison Charles Emile. Izy ireo avy eo no hifidy ny Dist-TIM sy Fok-TIM any amin’ireo distrika 5 any Alaora Mangoro.

Teny an-dalana .

QG Faravohitra Tim

Mandroso Randria

Fitsidihana any Alaotra (Ampitandrefana)

Mandalo eto Andaingo-Gara (RN44) ka tsy namelàn’ny olona raha tsy niara-naka sary taminy ny Filoha Ravalomanana (12 nov. 2016)

andaingo-ravalo1

delien Rivoarisoa 

 12/11/2016.

Rakotra vahoaka RN44 t@ fandalovan-dra8 izao.(sary Andaingo gara).

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s