« Izany tokoa ? », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

IZANY TOKOA?

Izany sisa ny an’ny gasy
Mijerijery dia mitehaka
Mandokadoka ireo mirehaka
Naka ankeriny ny harena
Nibodo….be fitiava-tena

Izany sisa ny an’ny gasy
Manesoeso manamavo
Rehefa tody eny amin’ny avo
Mody fanina…manebaka
Sendra raitra dia midedaka

Izany sisa ny an’ny gasy
Mivananaka eo am-pitoerana
Noana koa ka mora serana
Mitazan-davitra ny hatra
Asa tahotry ny haratra

Izany sisa ny an’ny gasy
Mifamono…mifandripaka
Mifanosy…mifanitsaka
Izay nisandratra sintonina
Handraingiraingy ho lao monina

Izany sisa ny an’ny gasy
Ireo tafita lasana any…
Nanadino koa ny tany
Namela ireo vahiny hanjaka
Isan’andro mahazo laka

Izany sisa isika gasy
Mifamotika am-pitoerana
Vola indramina no lerana
Atao takalo volamena…
K’ireo madinika no hosena

NARY (Mamitiana Randrianarison).
12/11/2016

mm4

Mamitiana Randrianarison

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s