« Complexe du colonisé », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

« Complexe du colonisé »

56 Taona izao no nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tena rehefa voazanak’i La Frantsa nandritra ny 64 taona. Tao anatin’izay vanim-potoana naha-zanatany frantsay an’i Madagasikara izay dia nololoavina an-tampon’ny loha foana i La Frantsa, ary izay no niantsoana azy hoe « Reny Malala ».

Tao aorianan’ny nahazoana ny fahaleovan-tena dia mbola napetrak’ireo mpitondra nifandimby ary ireo vahoaka teo amin’izay toerana maha « Reny Malala » azy izay i La Frantsa, indrindra fa tao anatin’izao fitondran’i Rajao izao. Mbola manompo tanteraka an’i « Reny Malala » daholo ny mpitondra ankehitriny, manomboka any amin’ny solombavam-bahoaka, loholona, minisitra, praiminisitra, ary indrindra indrindra fa ny prezida ary eny fa na dia ny olon-tsotra.

Mbola manana ilay antsoina hoe « Complexe du colonisé » ny Malagasy ankehitriny. Porofo marobe no ahafahana manamarina izany, raha ho an’ny olon-tsotra dia eo aminilay toe-tsaina,mitanondrika rehefa mahita vahiny, mandefitra rehefa sendran’ny vahiny,… raha resaka hafa kosa dia ireto tranga ireto no entina hanamafisana izany, tranga hita teto Madagasikara tao ho ao, ny voalohany dia ny teny nataon’i Veronique Vouland, ambasadaoro frantsay eto amintsika, izay nilaza fa an’i La Frantsa ny « iles Eparses », tsy nisy na teny kely iray aza avy amin’ireo mpitondra HVM no namaly an’ity ambasadaoro frantsay ity.

Any amin’ny firenena hafa anefa raha misy ny diplaomaty miteny toy izany dia voaroka miverina any amin’ny taniny. Manaraka, ny fahatongavan’ity Veronique Vouland teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo nangataka ny praiministra teo aloha Jean Ravelonarivo hiala eo amin’ny toerany na dia tsy nametra-pialana aza ny tenany.

Matoa afaka mitsabaka lalina amin’ny raharahan-tokatranony ny Malagasy tahaka izany ity ambasadaoro frantsay ity dia mazava fa mbola mametraka azy amin’ny toerana ambony tokony tsy hisy azy akory ireo mpitondra. 

Rivo Albert

franco-colonise

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s