« Tandremo ary… », Mamitiana Randrianarison (Mcm Tanà).

 

TANDREMO ARY…

 

Tandremo mihorohoro
Tandremo akory taitra
Raha toa ireo vahoaka
No hidina eny an-kianja
Tsy hoe hifaly avanja
Fa haneho tsy fahafaliana
Hirohatra hanakiana
Ny zava-ataonareo…
Andraso eo anie jereo…

Tandremo indray ho gaga
Tandremo ho talanjona
Raha hahita ireto mponina
Niharan-tsetrasetra…
Intsony tsy tomoetra
Fa iry hitabataba…
Hilanja soratsoratra…
Mainka hihorakoraka
Hitaky anao hiala…

Tandremo vaka saina
Tandremo hitolagaga
Raha tahiany ireo ho afaka
Mba afaka hiteny…
Tsy ho dokadoka mihitsy
Fa angamba ompa reny
Miampy tevateva…
Sahazaina sy hambara
Ho anareo tsy valahara

Tandremo ho’aho tandremo
Tandremo rendremana…
K’ho taitra tampoka eo
Ireo bematory ireo
Intsony tsy finehy
Hidradraka ny anjarany
Hitaky tsisy farany…
Izay vinarotrao vahiny
Tany amin’ny mangina

Izay tena fantatrao….
Fa hahazoanao TSINY

NARY . Mamitiana Randrianarison

25/11/2016

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s