Tsiroanomandidy, 27/11/2016. Mitohy ny asan-dahalo, 23 no maty. Ny faritra hafa.

Ra mandriaka tany Tsiroanomandidy Olona 23 matin’ny dahalo, omby 400 najifa

30/11/2016

Tsy vaovao amin’ny rehetra intsony ny fahenoana asan-dahalo sy fanafihan-jiolahy etsy sy eroa, saingy tsy mba mahataitra ny fitondram-panjakana izany.

Natsipatsipaky ny balan’ny dahalo indray mantsy ny fokonolona tany amin’ny kaominina Fihaonana sy Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Ny alahady teo, niara-notafihin’ny dahalo an-jatony ireo kaominina ireo ka nisy ny fifandonana mahery vaika satria niezaka niaro ireo ombiny hatrany amin’ny 400 ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana.

Toy ny atody miady amam-bato anefa izy ireo noho ireo tsy mataho-tody izay efa hary fitaovana, ka fokonolona 20 sy mpitandro filaminana 3 no indray lavon’ny bala, ary miaramila iray naratra mafy. Hatramin’ny omaly dia ny 4 tamin’ireo fokonolona lavo ihany no efa hita ny razana. Ankoatra ireo omby manodidina ny 400, dia lasan’ny dahalo ihany koa ny basy “kalack” miisa 3 sy ny fitoeram-bala miisa 7. Nisy ny fanarahan-dia ka nony tonga tany amin’ny kaominina iray antsoina hoe Soaloka, any amin’ny distrikan’i Miandrivazo dia nilaza ny mponina tao fa tsy misy omby lasa izany any amin’ny faritra misy azy ireo, norahonana tamin’ny tifitra variraraka ireo miaramila sy fokonolona mpanara-dia mba hiverin-dalana. Ahiana ho fieren’ny dahalo mihitsy ity kaominina ity sy kaominina vitsivitsy manodidina azy.

Ny mahagaga dia ny fananan’ireo olona fitaovam-piadiana mahery vaika, izay porofon’ny fisian’ny olona mpamatsy azy ireo na ny dahalo ambony latabatra. Mangataka ny hampiasana angidim-by mba hahafahana manara-dia sy manenjika ireo dahalo ny miaramila sy ny fokonolona. Tsy tafiditra amin’ny toerana fieren’ny dahalo mihitsy raha mbola dia an-tongotra, ary mbola betsaka no ho ripaka raha mbola izay no fomba fiady.

Toky R. TiaTanindrazana

Tsiroanomandidy : Nandefasana miaramila an-jatony

Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny Tafika, manoloana ny nahafatesan’ny olony iray rehefa nifanehitra tamin’ny dahalo. Raha tsiahivina dia ny alakamisy, tamin’ny herinandro lasa teo no maty tao anaty ady anaty akata ny miaramila iray izay niara-dia tamin’ny fokonolona. Izany dia taorian’ny fanafihan-dahalo  nitranga, niainga tao Tsiroanomandidy ka niafara hatrany amin’ny manodidina an’i Miandrivazo. Nisy ihany koa ny fokonolona izay lavo tamin’io fotoana io. Ankehitriny dia miaramila an-jatony no nalefa any Tsiroanomandidy ary hanao haza lambo ny dahalo no tena anton-dian’izy ireo. Ny dahalo amin’ny ankapobeny no voalazan’ny manampahefana fa hofongorina, saingy raha zohina kosa ny zava-niseho tato ho ato, dia mazava fa hanao valifaty ny namany maty ny miaramila. Hampiasaina hatramin’ny fitaovana lehibe eo am-pelan-tànana, hatramin’ny helikoptera, amin’ity fidinana an-tsehatra ity. Raha hiverenana, dia omby 400  no lasan’ny dahalo nandritra ny fanafihana ary olona efatra tamin’ny fokonolona no lavo. Mbola nitombo ny isan’ny maty rehefa raikitra ny ady anaty akata, roa andro taty aoriana. Nisy ihany koa ny basy lasan’ny dahalo; izay tsiahivina fa an-jatony hatrany isaky ny midina manao fanafihana. Manintona ny sain’ny maro ny hoe: ho raikitra tanteraka izany ny hazalambo ato ho ato any amin’ny faritr’i Bongolava, toerana izay nandihizan’ny dahalo tato ho ato noho ny fananany omby betsaka. Raha noheverina fa kolon-tsaina ny asan-dahalo teo aloha ary neken’ny mpiara-monina, izao kosa dia lasa olana tanteraka izany, satria mivadika ho vono olona sy herisetra maro isan-karazany no naterany. Ny tsikaritra dia hatramin’ny nisian’ny fanondranana omby an-tsokosoko no lasa nampivadika tanteraka ireo mpandroba any an-toerana ho lasa sady mpamono olona.

D.R

Les dahalos tuent, qui sont-ils? Les exactions des militaires. Et les intermédiaires ? Documentaire.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s