Mahamasina, Tsipy kanetibe eran-tany. 01/12/2016. Marc Ravalomanana mivady. Pétanque.

Arp Helisoa

 Ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana nanatrika ny fanokafana ny fiadiana ny tompondaka erantany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe tao amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina omaly
.

kanetybe1

kanetybe6

kanetybe4

Kanetibe – Mondial 2016 – Nihintsana tamin’ny fifaninanana tifitra ny solontena malagasy

02.12.2016

kanetybe7

Tsy isan’ireo hanohy intsony ny fifaninanana tifitra eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny taranja tsipy kanetibe, nanomboka omaly teto
amintsika, ny solontena mala-  gasy, tamin’ny alalan’i Herilanto Razafimahatratra. Laharana faha-26 tamin’ireo mpilalao 48 nandray anjara no nisy azy ary tsy nahazo afa-tsy isa 21.
Teo amin’ny «atelier 1», nitifitra kanetibe iray, no
nahazoany isa fito teo amin’ ny halavirana 6, 7 ary 8 metatra. Tsy nahatifitra kosa i Hery teo amin’ny halavirana 9 metatra. Isa tokana no azony teo amin’ny «atelier 2» (kanetibe no aorian’ny kisoakely), raha isa valo kosa teo amin’ny «atelier 3» (kanetibe eo anelanelan’ny kanetibe roa). Tsy nahita isa i Hery teo amin’ny «atelier 4» (kanetibe ao aorian’ny kanetibe iray), raha isa dimy no azo teo amin’ny «atelier 5» (kisoakely). Teratany frantsay, Bruno Le Boursicaud (isa 52) no nitana ny laharana voalohany vonjimaika teo amin’ny dingan’ny fifa-
nintsanana, raha Maorisianina (Khodabaccus Parvez) kosa no teo amin’ny laharana
faharoa, tamin’ny alalan’ny isa 51. Laharana fahatelo sy fahefatra ilay mpilalao poloney (Lipczynski Tomasz) sy Ivoarianina (Zohou Dominique).
Tafita avy hatrany amin’ ny dingan’ny ampahefa-dalana ireo efatra voalohany tamin’ny dingan’ny fifa-
nintsanana raha hiatrika ny «repêchage», anio alina, kosa ireo mpilalao laharana fahadimy hatramin’ny faha-19 (Thaïlande, Sénégal, Belzika, Angletera, Chine, Italie, Cambodge, Niger, Nouvelle Calédonie, Tahiti, Burkina Faso, Torkia, Espana, Tonizia, Congo, Ecosse ary Tchad). Ny tambatr’isa azon’ izy ireo eo amin’ny dingan’  ny fifanintsanana sy ny «repêchage» no hahafantarana ireo mpilalao efatra hanampy ireo efatra efa tafita hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana, rahampitso. Votsotra sahady izany ny amboara iray amin’ireo telo hiadiana.

Roméo Andriamihaja. L’Express de M/car.

Pétanque – Championnat du monde : Entrée ratée pour Madagascar !

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s