Mahajanga (Boanamary, Ambodinavony, Besely…). Tany nisy nivarotra tamin’ny vazaha.

Rangorindralesoka Zanakandriana. 4/12/2016.

MAHAJANGA, TANIN’NY TOKANTRANO MALAGASY AMAN’ARIVONY NO NISY NIVAROTRA TAMIN’NY VAZAHA

Fantatra omaly 3/12/2016 fa namidin’ny tompon’andraikitra ambony iray tamin’ny vazaha ny tany manomboka eo amin’ny PK+27 RN4 Mahajanga ao Boanamary ka hatrany Ambodinavony ka hatrany amin’ny kaominina Besely, tany amanjatony ha maro izay efa ampahany maro no nahazoan’ny Malagasy kara-tany na misy fanajariana toa ny fasandrazana sy fiompiana sy fambolen’ny tokantrano malagasy anarivony maro. Omaly Sabotsy 3 Desambra 2016 ny fivoriana fahatelo nataon’ireo Malagasy mivelona amin’ny tany efa ampolotaona maro.

Voalaza fa maro no tsy salama tampoka sy niakatra tosi-drà ireto Malagasy tompon’ny tany raha naheno ity varotra tsy ara-dalàna ity satria tsy nisy ny fitsirihana mialoha nataon’ny kaomisiona teny ifotony, fitsirihana izay tokony nahitan’ny kaomisiona ireo fanajariana efa nisy sy ireo karatany.

Tsy ara-dalàna koa satria raha ny lalàna, ny tanimpanjakana efa nisy fanajariana dia tokony ho izay nanao ny fanajariana no hahazo ilay tany fa tsy ny mpangataka rehetra ary ny tany efa misy karatany dia tsy azon’ny fanjakana amidy amin’olonkafa intsony. Niray feo ny vahoaka malagasy tompon’ny tany fa tsy hanaiky lembenana manoloana ny « insécurité foncière » mahazo azy ireo satria ny fihariankarenan’izy ireo Malagasy mihintsy no tsinotsinoavina manoloana ny vahiny.

Mety hiafara amin’ny fitakiana ny fialan’ilay tompon’andraikitra ambony ary maresaka sahady fa ho « Soamahamanina II  » ity aharaha ity. Tena loza ny zavamiseho ankehitrio satria raha mandry ianao ny alina amin’ny taninao, ny ampitso maraina mety efa tsy anao intsony ny tany fa lasan’ny vahiny ka voatery miala ianao. Hohita eo ny tohiny.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s