Havandra, Mandrosohasina-Antsirabe, rava ny fambolena.Mifankahery ny samy Ben’ny tanàna.

KAOMININA MANDROSOHASINA ,

RAVAN’NY HAVANDRA.

7/12/2016.

Rava hatrany amin’ny 90% ny fambolena ao amin’ny Kaominina Mandrosohasina antsirabe faharoa , vokatry ny filatsahan’ny havandra diso tafahoatra. Nirotsaka ny oram-baratra ny talàta 06 Desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahefany tolakandro ary narahana havandra vaventy efa hitovy amin’ny totohondrin-jaza ary mbola tsy levona izany ny tolakandron’ny Alarobia 07 . amin’ny ankapobeny dia Fokontany 03 no tena nitondra faisana tamin’izao loza voajanahary izay tsy mbola nisy tao amin’ity Kaominina ity hatramin’izay dia ny Fokontany Tongasoa Ambanimaso , Amparihy Soaazo ary Manjakamiadana.

Araka ny tombana nataon’ireo tompon’andraikaitra avy ao amin’ny kaominina izay nidina nitety ny fokontany mba hampaherezana ireo vahoaka noho ny loza dia tokantatrano manodidina ny 700 ahitàna mponina 3000 eo ho eo no rava fananana toy voly katsaka izay efa nanomboka nibaby , ny ovy izay efa hiakatra tsy hoela, ny ketsa vao natsatoka , ny karoty sy ireo voankazo ! main’ny ankapobeny mantsy dia isan’ny manana vokatra miondrana any amin’ny faritra hafa ity kaominina ity .

Ny tolakandron’ny Alarobia teo ary dia tonga tany an-toerana ireo ben’ny tanàna rehetra mpikambana ao anatin’ny OPCI TARATRA nifankahery tamin’ireo vahoaka sy ireo mpitantana izay mpiray OPCI , teo ihany koa ny mpanolo-tsaina manokan’ny Minisitry Ny fahasalamam-bahoaka izay mpiahy an’I Vakinankaratra , ary mazava hoazy ny tompon’andraikitra voalohan’ny sampandraharaha mpanao tan-tsoroka irey vondom-bahoakam-paritra ireny ka nitondra aloha ny vonjy ranovaky hoenti-manafaingana ny fikarakarana sy ny fanaovana ny tatitra amin’ireo ambaratonga mahefa mba tsy hampiraviravy tànana ny Kaominina Ambanivohitra Mandrosohasina.

Voalzan’ Andriamatoa RAKOTONIRINA Justin Ben’ny tanàna ao an-toerana fa ahiana mafy ny mety ho fihenan’ny vokatra noho izao loza voajanahary izao izay efa fanitelony izao tamin’ity taona 2016 ity satria vao tsy ela ihany koa no nisy olona 3 sy omby 2 matin’ny varatra tany an-toerana. Ny voakatry ny tany toy ny amin’ity kaominina ity iza isan’ny mitondra vahaolana eo amin’ny fampandrosoana ny vondrombahoaka noho ireo tamberim-bidy azon’izy ireo amin’izany , ny mampanahy araka ny voalza etsy ambony dia tsy hisy izany vokatra izany , ka hihena araka izany ny kitapom-bolan’ny Kaominina.

Ny fahasimban’ny làlana manginy fotsiny izay tena mampitaraina ihany koa ireo mpamboly satria dia tafidina hatrany amin’ny 300 Ar ny Kilaon’ny ovy ary 60 Ar isan-kilao no hitondran’ny sarety azy miala eo Morarano , toerana izay tsy lavitra an’ Ankelivozona izay handraisan’ireo mpanangona azy. Antso avo hoan’ny tomponandraikitra mahefa rehetra araka izany no ataon’ity Kaominina ity satria dia latsaka an-katerena tanteraka izy ireo.

Havandra tsy levona nanomboka ny 6 desmbra tamin’ny 03 sy 15mn tolakandro hatramin’ny Alarobia 07 Desambra tamin’ny 1 ora tolakandro

Mifankahery ny samy Ben’ny tanàna ao anaty OPCI Taratra

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s