« Ny Noelinay aty », Nitiah Nosy.

noely-nitiah-nosy

Ny noelinay aty…

Fa ny noelinay aty,
tsy dia irony hanimpy
fa vary sy hena iray lovia,
no nolafiham-boatabia !
Ka ny hazo noelinay,
foto-manga anankiray ;
no noravahana papay ,
sy songosongo dia izay !

Ry Ketaka sy Vonifanja,
jereo ange fa manjamanja !
Mifanjohy ho eny an-kianja,
f’eny no hifaly havanja !
Hianoka ny hira gasy,
izay hiangalian-dRapasy !

Korana tsisy mihoatr’azy,
Ka zovy raha hilasilasy !
Ny takariva hoy ianao ?
ny fampitaha no natao,
narahan-kira sy lalao,
nalaina ery ny hifandao !

Noely tsotra toy izany,
tsy nirenty fa dia mamy,
fiaraha-mifaly tsy hita lany,
« noely nampiray » hatrany !

Nitiah Nosy – Poeta

Ph. Paysages de Madagascar

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s