Imerikasinina 25/12/2016. Ravalomanana, Fankalazana ny krismasy.

H E Marc Ravalomanana

Fankalazana ny Noely tao amin’ny FJKM Imerinkasinina Fanasina. Mirary Krismasy feno fifaliana sy fitiavana ho antsika rehetra.

Marc Ravalomanana Nirary soa ho an’ny Malagasy rehetra

26/12/2016

Niara-nankalaza ny krismasy fandresena tamin’ny kristianina tao amin’ny FJKM Imerinkasinina Fanasina omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady.

Fiombonan’ny fianakaviana ny fotoana toy izao, ka vory lanona teny an-toerana ihany koa ny ankohonany tamin’io nanatrika fanompoam-pivavahana sy ny fandraisana fanasan’ny Tompo. Nisy ny fandraisany fitenenana nirariany soa ho an’ny mpino sy ny Malagasy rehetra. Amin’ny maha filoha nasionalin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara azy, dia nanentana ny kristianina ihany koa i Marc Ravalomanana ny maha zava-dehibe ny tsangambato izay hatao. « Manomboka amintsika Kristianina no mijoro amin’ny marina ary isika no kintana fitarihana ny olona hahitana ny Mpamonjy, toy ireo Magy. Ny lalana marina sy mahitsy no tokony hatorontsika ny olona », hoy izy.

Jean D. TiaTanindrazana.

ravalomanana-krismasy2

ravalomanana-krismasy3

ravalomanana-krimasy4

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s