CUA-Antananarivo 27/12/2016. Hetsika fisorohana ny loza, boriborintany voalohany.

antananarivo-wide-e1449085203330-640x360

CUA serasera. 27/12/2016.

BORIBORITANY VOALOHANY, HETSIKA FISOROHANA NY LOZA

Natomboka androany Talata faha 27 Desambra 2016 teny Andavamamba Anjezika II sy teny Andavamamba Anatihazo I ny fanadiovana goavana teto anivon’ny Boriboritany voalohany; Fanadiovana izay notarihan’ny Delegé Andriamatoa RAZAFINDRATSIMA Marie Gérard sy ny mpiara-miasa aminy.

Raha araka ny nambaran’ity Delegé ity dia : « ho avy ny orana, efa mitobaka ihany koa ny voankazo eny an-tsena, manomboka misavovona ny fako, hatahorana ny mety ho fiakaran’ny rano, ka izay indrindra no tena antony hanaovana izao hetsika izao mba ho fisorohana ny mety ho fitrangan’ny loza».


Mpamafa lalana teny anivon’ny Boriboritany voalohany, ny RF2 teny anivon’ireo fokontany, ny ekipan’ny BMH, ny DTP (Direction des travaux Publics) ary ny sampan-draharaha misahana ny vonjy taitra eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay notarihan’ny Colonel John … no niaraka nifandrimbona tamin’ny fanatanterahana ny asa.
Nofafana ny lalana, nodiovina ny lakan-drano ary norarahana fanafody famonoana bibikely sy otrik’aretina avokoa ny toerana rehetra. Etsy an-daniny dia nanao fanentana ireo mpivarotra sy ny mpandalo mahakasika ny tokony hanajana ny fahadiovana ny filohan’ny Fokontany sy ny Filohan’ny RF2 satria dia « Antoky ny fahasalamana ny fahadiovana ».


Hoy hatrany Andriamatoa RAZAFINDRATSIMA Ndremahery Marie Gérard Delegen’ny Boriboritany Voalohany : «hateti-piavy izao hetsika izao mba hanairana sy hanazarana ny mponina amin’ny fahadiovana ». Tsy niala maina anefa ireo nanatanteraka ny asa fa notolorana fanomezana izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Mada Vision, ho ezahina hatrany ny fampirisihana ireo mpiara-miasa mba hampazoto azy ireo amin’ny asa mafy izay miandry azy ireo. Tsy hijanona eto Andavamamba ny fanadiovana fa mbola hitohy eny anivon’ireo Fokontany 44 izay mandrafitra ny Boriboritany Voalohany.

.

cua-serasera-a1

cua-serasera-a4

cua-serasera-a7

cua-serasera-a5

cua-serasera-a2

cua-serasera-a3

cua-serasera-a6

cua-serasera-a9cua-serasera-a8

cua-serasera-a10

.

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s